Asa an-terivozona mandra-pahafaty sy onitra 80 tapitrisa Ar no didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha anenjehana an’i Djailane Abdalah, 23 taona, sy i Zafilahy Fidelis Tsiahoana na i Le Baba, 21 taona. Niatomboka tamin’ny 9 ora sy 35 minitra ary […]
Tranga
Fifampikasohan’ny herinaratra: Trano telo kilan’ny afo tetsy Ambohipo
Nitrangana haintrano indray tetsy amin’ny tranon’ny mpianatra Ambohipo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 ora. Niainga tao amin’ny efitra iray fonenan’ny mpianatra ny fahamaizana. Nananosarotra ny famonoana ny afo noho ny fahatapahan’ny rano sy ny fitsokan’ny rivotra teny an-toerana, raha ny fanazavan’ireo mpianatra nanontaniana. Vokany, bloc telo voakasiky ny afo. […]
Nilatsaham-potaka : Mpivady niara-namoy ny ainy
Namoy ny ainy ny mpivady nilatsaham-potaka teny amin’ny lalana mihazo ny trano fonenany ao Maharidaza, kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Nandeha an-tongotra izy telo mianaka. Ankizilahy 15 taona ny zanak’izy mivady izay niara-dalana tamin’izy ireo. Nanora-nikija ny andro saingy nanohy ny dia hatrany izy telo mianaka. Nirefotra tampoka ny varatra. Nilatsaham-potoka […]
Voaroba ny 3 000 000 Ar : mpanao Cash point nofafazana sakay
Lasibatry ny fanafihana ny mpanao Cash point iray teny Ivato, omaly maraina. Vola 3 tapitrisa Ar no nalain’ireo mpanao ratsy an-keriny. Voasambotry ny fokonolona kosa ny jiolahy iray. Voasambotry ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy roa nandroba mpanao Cash point, teny amin’ny kaominina Ivato, omaly maraina, tamin’ny 7 ora. Mpiasa […]
Fanafihana mitam-piadiana : Teratany sinoa voatafika sy voaroba
Mirongatra izaitsizy ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina ankehitriny. Teratany sinoa iray notafihan’ny jiolahy miisa dimy, tany Tanamakoa parisela 12/14, ny sabotsy alina hifoha alahady lasa teo. Voaroba tamin’izany, ny vola, ny basy ary ny finday maro. Nihanika tamboho iray mifanila-bodirindrina tamin’ny trano nokendrena, ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo […]




