Noraisim-potsiny ! Voasambotry ny zandary tao amin’ny sakana ao Mahaboboka Toliara, omaly, ny ramatoa iray sy lehilahy iray nangala-jaza. Nentin’ilay vehivavy niainga avy aty Antananarivo io zazamenavava io ka notsenain’ny fiara tsy mifidy lalana iray avy any Toliara tao Sakaraha. Teny an-dalana hiverina hitodi-doha ho any Toliara izy ireo no […]
Tranga
Taxi-borosy nifandona : maty tsy tra-drano ny mpamily niampy ny mpandeha roa
Nitera-doza indray! Namoy ny ainy ny mpamily iray sy olona roa hafa vokatry ny fandehanana mafy nataon’ny taxi-borosy teny amin’ny RN12, omaly. Miseo lany ny lozam-pifamoivoizana noho ny tsy fitandreman’ny mpamily tato ho ato. Taxi-borosy mampitohy an’i Manakara sy Fianarantsoa niharan-doza teo amin’ny Bac Namorona, anatin’ny lalam-pirenena faha-12, omaly maraina. […]
Hamonjy zaikabem-piangonana: mpivady niara-nipitika teny ambony moto
Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ny lehilahy iray nitondra moto niaraka tamin’ny ramatoa vadiny teny amin’ny lalam-pirenena faha-12, teo amin’ny PK 84, toerana antsoina hoe Ankarampotsy, fokontany Bac Namorona, kaominina ambanivohitra Anosimparihy, ditrikan’i Mananjary, afakomaly maraina. Nampandre ny zandarimaria ny mpamily taksibrosy iray amin’io lalam-pirenena io fa nitrangana […]
Namahora: trano am-polony levon’ny afo
Hotohoton’ny afo ny tranovato roa sy tsena hazo maherin’ny folo tao amin’ny fokontany Namahora, kaominina Morondava, ny marain’ny alatsinainy 29 jolay teo. Naheno zavatra nirefotra indroa nisesy ny mponina tao amin’io toerana io, tamin’ny 2 ora maraina. Niredareda tampoka ny afo taorian’izay. Tranombarotra iray niampy toerana fanamboarana telefaonina sy trano […]
Hita tao anaty lava-biriky : ramatoabe maty voakapa famaky
Ramatoabe 53 taona maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Nokapaina famaky ny lohany, araka ny fizahana nataon’ny dokotera sy ny mpitandro filaminana. Nahitana diam-pamaky teo amin’ny lohany sady vaky no pempo. Toy ny nizara roa mihitsy izany, nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera niaraka tamin’ny zandary. Potika tsy nisy namantarana azy […]