Tranga

Nanendaka cash point : Lehilahy iray voasambotra tetsy Itaosy

Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, afakomaly tamin’ny 10 ora maraina, ny lehilahy iray, 27 taona. Tratran’ny olona nanendaka mpanao cash point iray teny Antsahakely, fokontany Antsahamasina, kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto izy io. Mody niondrika tao ambadiky ny tsenan’olona iray ity olon-dratsy ity, talohan’ny nanaovany ny asa ratsiny. Nampidiriny […]

Nikononkonona fanafihana : Enin-dahy maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy teny Ambohijanaka ny jiolahy enina nikasa hanafika. Nahafahana nisoroka ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo. Lavon’ny balan’ny polisy ny alatsinainy alina hifoha talata teo ny jiolahy miisa enina, nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Ambohijanaka, distrika Antananarivo Atsimondrano. Nisy olona tsara sitrapo nampandre ny […]

Zazavavy maty voaolana tetsy Ambohimalaza: Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza

Lehilahy iray mpiambina tanàna no voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza, omaly. Voarohirohy tamin’ny famonoana sy fanolanana ankizivavikely iray teny an-toerana izy io, ny alahady 19 janoary 2026 lasa teo. Voa­laza fa efa nanao fihetsika hafahafa tamin’io ankizivavy hita faty io, ilay lehilahy, talohan’ny zava-nitranga, raha ny fanazavana […]

Lehilahy natsingevan’ny rano : Tombanana ho efa maty tao anatin’ny telo andro

Hita omaly tamin’ny 4 ora latsaka fahefany hariva, tao anaty rano, teo ambonin’ny tohodrano iray ao amin’ny fokontany Ankorombe, disitrikan’Ambositra, ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray tokony ho 30 taona. Mpanjono niampita teny an-toerana no nahita olona natsingevan’ny rano ka nampandre ny manam-pahefana. Vory lanona ny fokonolona teny amin’ny manodidina vantany […]

Nalefa eny Imerintsiatosika, halina: Naiditra vonjimaika am-ponja ny Jly Ravalomanana Richard

22 andro taorian’ny nisamborana azy teny Ambatovinaky, niakatra fampanoavana, omaly, ny Jly Ravalomanana Richard. Naiditry ny mpitsara mpanao famotorana vonjimaika am-ponja eny Imerintsiatosika izy. Nalefa eny amin’ny fon­jan’Imerintsiatosika ny Jly Ravalomanana Ri­chard, halina. Izay ny vokatry ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitsara mpanao famotorana azy. Niakatra fampanoavana, 22 andro taorian’ny fisamborana […]