Zaza mianadahy (telo taona sy fito volana) hita faty tany an-tanimbary tany Antanambao Antolongo, fokontany Maevatanana, kaominina ambanivohitra Ambodiampana Lokoho, Sambava, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Tsy hita nanomboka ny zoma lasa teo izy mianadahy ary efa nokarohina nanerana ny faritra sy toerana rehetra izy ireo saingy tsy […]
Tranga
Tra-tehaka teny Andoharanofotsy : Jiolahy 11 nahatrarana fiara sy zava-mahadomelina
Mitohy ny fisamborana sy famongoran’ny mpitandro filaminana ireo mpanao asa ratsy eto amin’ny Nosy. Jiolahy miisa 11 voasambotry ny zandary avy eny Andoharanofotsy ny sabotsy maraina lasa teo. Nahatrarana fiara roa sy karazana zava-mahadomelina tany amin’izy ireo. Manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana sy asa fanendahana eny an-toerana, nifarimbona ny mpitandro […]
Fihinanana soka-dranomasina : Tafakatra dimy ireo namoy ny ainy
Tafakatra dimy ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fihinanana soka-dranomasina antsoina hoe: fano, tany amin’ ny fokontany Sahorana, fokontany Ampasimpotsy, kaominina Fenoarivo Atsinanana, hatramin’ny omaly. Raha ny fanazavana voaray, vehivavy sy ankizivavy vao enin-taona ireo namoy ny ainy ireo. Am-polony ny olona marary sy mbola manaraka fitsaboana any amin’ny […]
Mpanao vato voatafika: Karohina ireo nahavanon-doza
Anatin’ny fanadihadiana, mikaroka ny mombamomba ireo olona dimy nanafika “Sri-Lankais” mpividy vato, tao amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina Ambatondrazaka, ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Lasan’ny olon-dratsy ny vola mitetina 10 tapitrisa Ar tao amin’ity teratany vahiny ity, ny alin’ny 26 novambra lasa teo. Jiolahy miisa dimy nanao saron-tava, niditra an-keriny tao […]
Roa taona namakiana fasana : 5 lahy mpangalatra taolam-paty, tratra
Ravan’ny zandarimaria ny tambajotra mpamaky fasana tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 26 novambra teo. Roa taona nanaovana asa ratsy ireo tratra ireo. Dimy lahy mpangalatra sady mpivarotra taolam-paty nosamborin’ ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ampizarantany, kaominina Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alarobia 26 novambra teo. Efa-dahy nitondra gony, naneho fihetsika […]




