Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny kaominina ambanivohitra Sabotsy Namehana, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly, tamin’ny 8 ora alina. Niseho teo amin’ny lalana pavé Tsarasaotra/Antsofinondry hivoaka ny lalam-pirenena fahatelo, ivelan’ny tanàna, ny loza. Fiara Golf Type 1 iray miloko fotsy avy any Ivato hihazo an’i Sabotsy Namehana no niharan-doza. Nandeha mafy, […]
Tranga
Analamahitsy Cité : Zaza efatra tratra namaky trano
Niditra teo am-baravarankely, ankizilahy miisa efatra tratra namaky trano tao amin’ny fokontany Analamahitsy Cité, boriborintany fahadimy, ny alarobia 14 janoary teo. Nihidy ilay trano nokasain’ny mpanao ratsy horobaina tamin’io fotoana io. Ny varavarankely izay afaka nakisaka ny hidiny, saingy tsy tafiditry ny olon-dehibe. Nanita-kevitra ireo mpamaky trano ka nasainy nisitrika […]
Loza voajanahary : Roa maty, efatra naratra nilatsahan’ny varatra
Niara-namoy’ny ainy, nilatsaham-potaka ny zatovo mianadahy afakomaly tany Tsiroanomandidy. Naratra ny olona roa hafa. Nisy zaza roa koa main’ny varatra tany Anjozorobe, nieren-doza kosa ny iray trano. Nampihorin-koditra ny tranga nahafatesana ankizy mirahavavy izay niaraka nilatsaham-potaka tao amin’ny fokontany Adabo Analatsifaka Andrefana, Mangarivotra Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, afakomaly. Niasa teny an-tsaha […]
Nandroba 27 tapitrisa Ar : Lehilahy iray naiditra am-ponja
Voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny kaompania Tanà Ville ny lehilahy iray nandroba lelavola an-tapitrisany tao amin’ny efitrano fatoriana teratany vahiny iray tetsy Analakely, ny 8 janoary teo. Nidiran’io lehilahy io antsokosoko ny trano nisy ny teratany vahiny, ny alin’ny sabotsy 2 janoary lasa teo. Nihevitra ho tsy nisy nahatsikaritra […]
Fanafihana tsena : Jiolahy iray maty voatifitry ny polisy
Notafihan’ny jiolahy miisa 12, nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy sy sabatra ary famaky, ny tsenam-barotra iray tany Ankilahila, kaominina Mitsinjo, disitrikan’i Toliara II, afakomaly tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Nodarohan’ireo olon-dratsy ny mpivarotra tao amin’ilay tsena, nandritra izany. Vokany, naratra mafy noho ny vono nahazo azy ity […]





