Tranga

RN11 : Taksiborosy nivadika, olona roa naratra

Lehilahy roa naratra vokatry ny fivadihan’ny taksiborosy iray tany amin’ny RN11, teo amin’ny sampanan-dalana Maronono, fokontany Centre Ville, kaominina Ilaka-Atsi­nanana, distrikan’i Vatoman­dry, afakomaly. Nitatitra olona hihazo an’i Mahanoro io fiara io. Niharan’ny tsy fahatomombanana teknika tampoka anefa ilay fiara. Nivadika nivoaka ny arabe teo amin’ny PK 85+900, anatin’io lalam-pirenena io, […]

Antsohihy: lehilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray voasaringotra tamin’ny raharaha vono olona nitranga ny taona 2023, tra-tehaky ny fokonolona tao Bazary Be, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nitrangana vono olona nahatsiravina tao amin’ny fokontany Androibe, kaominina An­kerika, distrikan’Antsohihy, ny faran’ny taon-dasa teo. Olona maromaro nosamborin’ny mpanao fanadihadiana tamin’io fotoana io. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana, notanana am-ponja vonjimaika ny […]

Ambositra : tovolahy 17 taona hita faty

Ny lohany sy ny akanjony sisa namantaran’ny fianakaviany ny tovolahy iray 17 taona hita faty tao Kidavy, fokontany Antoetra, kaominina Ambositra, ny alahady 28 jolay teo. Tsy hita iray volana lasa izy. Nanao filazana ta­min’ny alalan’ny onjam-peo ny fianakaviany ary nanao ombay mitady. Ny faran’ny he­rinandro teo, mpandalo no na­hatsikaritra […]

Famonoana an’i Allan : vehivavy iray migadra 20 taona

Niakatra fitsarana omaly, ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana nihatra tamin’ilay ankizilahy 10 taona antsoina hoe Rakotozafy Alain Maherinjaka na Allan. Olona 10 indray voarohirohy tamin’izany ka samy nohenoina teo anoloan’ny fitsarana. Raha ny loharanom-baovao voaray, natao tao anaty efitrano mihidy ny fitsarana ka tsy afaka nanatrika izany ny olona hafa […]