Nirefotra ny basy teny amin’ny kaominina Ankaraobato, ny alin’ny alakamisy 15 janoary teo. Tokantranona mpamongady iray norobain’ny jiolahy. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ankadinandriana, kaominina Ankaraobato, ny alin’ny alakamisy 15 janoary teo. Niditra an-keriny tao amin’ny trano nisy ny fianakavian’ilay mpivarotra amina “grossiste” ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana ny iray […]
Tranga
Fianarantsoa : Lehilahy hita faty nifato-tenda
Raim-pianakaviana iray hita faty tao anaty lobolobo tao amin’ny tanànan’Isaha Atsimo, kaominina Fianarantsoa, ny marain’ny alarobia 14 desambra teo, tokony ho tamin’ny 9 ora. Mpanadio teny amin’ny toerana manodidina no nahatsikaritra tranga hafahafa. Nahatazana olona tao anaty kirihitra izy ireo kanefa tsy nihetsika intsony io olona io. Nanamarina ny zava-nisy […]
Ambodivona : Jiolahy lavon’ny polisy
Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny Ambodivona, lavon’ny bala, ny jiolahy iray, afakomaly alina. Malaza ratsy amin’ny fisiana mpanao sinto-mahery, mpanendaka sy asan-jiolahy eny amin’io faritra io ka nanao hetsika manokana ny ekipan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny CUI sy ny UIR. Nahare antso vonjy tampoka tamin’ny olona nandalo izy ireo. Raikitra […]
Nitazona basy tsy ara-dalàna : Lehilahy roa voasambotry ny polisy tetsy Anosizato
Notanana eny anivon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ireo roa lahy tratra nihazona basy tsy ara-dalàna tetsy Anosizato, omaly. Tsy nahitana taratasy manamarina ny fahafahana mihazona sy mampiasa izany teny amin’izy ireo. Anton’ny fisamborana. Nosamborin’ny polisim-pirenena avy ao amin’ ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) omaly, tamin’ny 11 ora atoandro, tetsy Anosizato, ny […]
Ambohimangakely: Nipotsaka ny atidohan’ilay vohitsaky ny kamiao
Maty tsy tra-drano, nipotsaka ny atidohan’ny lehilahy iray voahitsaky ny kamiao teo Ambodivoara, kaominina Ambohimangakely, omaly maraina. Nandeha tamin’ny sisin’arabe io lehilahy io, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso ny tranga. Nandalo ny kamiao lehibe iray mpitatitra entana. “Efa nangatangataka tamin’ny olona manodidina io lehilahy io talohan’izao tranga izao”, hoy ny fanazavan’ny […]





