Tranga

Mahabo: Basy Kalach sy Mas 36 azon’ny zandary

Basy Kalach iray miaraka amin’ny bala roa sy Mass 36 iray no azon’ny zandary tao amin’ny distrikan’i Mahabo, ny alahady alina teo. Basy nampiasain’ireo dahalo nampitondra faisana ny kaominina Beronono, Ambia, Ankilizato hatrany Mahabo izy ireo. Nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary no nahatrarana ny dahalo iray nitazona izany tao Anjiva­be, […]

Fifamaliana nitera-doza: renim-pianakaviana maty notsatoham-badiny antsy

Maty tsy tra-drano vokatry ny vono nataom-badiny ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny kaominina Feramanga, distrikan’Ambatondrazaka, omaly maraina. Nodidian-drangahy ny vihiny ary nitolo-batana teny amin’ny zandary izy taorian’izay. Nisehoana vono olona nahatsiravina tao amin’ ny fokontany Antokazo, kaominina Feramanga Ava­ratra, distrikan’Ambatondra­zaka, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Nifamaly vokatry ny tsy fitovian-kevitra […]

Manjakaray : Vaky ny fitaratra, fiara iray nisy nitifitra

Nieren-doza ireo vehivavy nandeha tamina fiara iray nisy nitifitra teny Manjakaray, ny sabotsy maraina tamin’ny valo ora. Nahitana diam-bala teo amin’ny fitaratraben’ny fiara… Nihorohoro indray ny mponina teny Manjaka­ray sy ny manodidina, ny sabotsy maraina teo. Nian­tefan’ny bala teo amin’ny fitaratraben’ny fiara nentin’ny renim-pianakaviana iray nia­raka tamin’ireo vehivavy roa namany. […]