Nanaovan’ny dahalo rotsaka alina, norobain’izy ireo ny omby vositra roa tao amin’ny fokontany Ambodivato, kaominina Ambohimiadana , distrikan’ Andramasina, afakomaly. Tsy nahare na inona na inona ny tompon’ omby nandritra ny alina. Nifoha maraina, hataraina ny azy ireo nahita ny valan’ omby efa nadiodio. Nanjavona tao anatin’ny tranony ireo omby […]
Tranga
RN 6 : Taxi-borosy notafihin’ny jiolahy
Nitrangana fanafihana taxi-borosy iray teny amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6), ny talata teo. Tao Manerinerina Avaratra no nitranga ny fanafihana, araka ny fanazavan’ireo mpandeha tao amin’ilay taxi-borosy. Fiara miasa ao amin’ny kaoperativa iray mampitohy an’i Mahajanga sy Manerinerina Avaratra ity nisy nanafika ity. Voalaza fa avy any Mahajanga ilay taxi-borosy […]
Nahazo 5 tapitrisa Ar : mpisoloky voasambotry ny zandary
Tratran’ny zandarimaria miasa ao amin’ny Tobi-paritra Mananara, ny mpisoloky iray nilaza ho mahay mampitombo vola, afakomaly. Manatona olona mihitsy izy ary mitady izay azony hambakaina amin’io fandrebirebeny io. Mpamboly lavanila iray tao amin’ny Antsirabe-Fotsiarivo, kaominina Analampotsy, Kaominina Mananara Avaratra no lasibatra. Nampiresahana io raim-pianakaviana io ka nampanantenainy fa hitombo vola […]
Mody nividy zava-pisotro: efa-dahy saika handroba “Bar”
Voasambotra avokoa ireo efa-dahy nanambana antsy ny mpandray vola tao amin’ny trano fisotroana iray tetsy Manjaka Ilafy, afakomaly. Mody nividy zava-pisotro toy ny olon-drehetra, efa-dahy nitondra antsy nikasa handroba tao amin’ny toeram-pisotroana iray teny Manjaka, anatin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy, afakomaly. Niara-niditra tao amin’io toeram-pisotroana io izy efatra mirahalahy. Nandinindinika ny manodidina, […]
Tovovavy maty teny Ambohibao: nidoboka eny Tsiafahy ny rafozany
Niampy iray indray ireo voasaringotra tamin’ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Antanetibe kaominina Antehiroka, ny 5 jolay lasa teo. Ny mpanampin’ilay tovovavy sy ny sipany ary ny naman’ny sipany no voasambotra voalohany. Nitohy hatrany anefa ny famotorana lalina nataon’ny zandary ka tao anatin’izany no nahafantarana fa isan’ireo tompon’antoka tamin’ izao […]