Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-pileovana Menabe, tao amin’ny fokontany Bekadradraky kaominina ambanivohitr’i Manandaza distrikan’i Miandrivazo, afakomaly ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Gody. Vao nanentana ireo olon-tsotra mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika anefa ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Menabe tarihin’ny Kly Faneva mba hamerina haingana ireny fitaovam-piadiana […]
Tranga
Fiara Starex tra-doza teo Antanimena : lehilahy iray maty tsy tra-drano
Namoy ny ainy teo noho eo, ny mpamilin’ny fiara marika starex iray niharan-doza tetsy Antanimena, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Lehilahy 28 taona nitondra fiara matin’ny lozam-pifamoivoizana teo Antanimena, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Nalalaka ny lalana ka nanararaotra nandeha mafy ny mpamilin’ny fiara. Avy […]
Nijoalajoala ny afo : efa-mianaka indray kila forehitra tao an-trano
Nitrangana haintrano namoizana ain’olona tao Andranomaimbo Antsirabe, afakomaly alina. Trano maromaro indray kila hotohoton’ny afo. Niainga tao amina tokantrano iray mpivarotra zava-pisotro misy alikaola ny afo ka niitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina. Vokany, namoy ny ainy ny zazakely iray vao teraka herinandro, ankizy 4 sy 8 taona ary renim-pianakaviana […]
Fanorenana tsy ara-dalàna: miteraka olana goavana ao Toamasina
Tokony handraisana fepetra haingana ny fanorenan-trano tsy ara-dalàna ao Toamasina. Olana iray mifandraika amin’izany koa anefa ny gaboraraka sy ny tsy fandraisana andraikitra eo anivon’ny sampandraharaha teknikan’ny kaominina. Fanorenan-trano tsy ara-dalàna iray no ahina hiteraka disadisam-piarahamonina goavana amin’izao fotoana izao ao an-toerana. Miteraka olana ny fananganan-trano tsy nahazoana alalana ao […]
Nirefodrefotra ny basy teny Ilafy: jiolahy telo maty voatifitry ny polisy
Tsy nifankandrenesana ny poa-basy teny Ankadikely Ilafy. Lavon’ny balan’ny Fip ny jiolahy telo lahy nitam-piadiana, afakomaly. Ravan’ny polisin’ny Fip ny andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly. Nanomana paikady, nitetika hanao ny asa ratsy mahazatra azy ireo mpandroba ireo. Naharay loharanom-baovao hatry ny ela […]