Tranga

Soavina : tratra ilay tovolahy nangalatra vola vidina kisoa

Tratran’ny zandarimaria ny tovolahy iray nangalatra vola vidina kisoa nitetina an-tapitrisany tao Isaingy, kaominina Ampanefy, afakomaly. Niasa tao amin’ny mpampiasa anatin’io kaominina io izy. Nahalafo kisoa izay ompiany ao an-tanàna ny mpampiasa ka nanomboka hafahafa ity tovolahy ity, ny 13 jolay teo. No­robainy tokoa ny vola vidin’ny kisoa. Nandositra izy […]

Bakalorea : mpianatra efatra tratra nangala-tahaka

Vao manomboka ny andro voalohany, mpianatra efatra mianadahy sahady no sarona tamin’ny alalan’ny fampiasana finday mba hangalana tahaka ny laza adina. Iray tao amin’ny ivontoeram-panadinana Ly­cée Jacques Rabemanan­jara Toamasina, afakomaly, raha tao amin’ny ivontoeram-panadinana ao Brickaville kosa ny telo. Tao anatin’ny angom-baovao no nahafan­tarana fa alain’izy ireo sary amin’ny finday […]

Ambositra : lehilahy iray hita faty

Namoy ny ainy irery teny an-dalana ny lehilahy iray 30 taona tao Andranovory, fokontany Tsarahasina, kaominina Ambositra, omaly. Manana aretina mitaiza izy, araka ny nambaran’ny fianakaviany. Misy fotoana miseho tampoka, araka izany, io trangan’aretina io. Nianjera tsy nahy tamin’ny sisin-dalana vokatr’izany io lehilahy io. Tsy nahatsiaro tena intsony taorian’izay. Ny […]

Naiditra eny Tsiafahy: ny sakaizany ihany no namono an’i Miah

Notanana vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, ilay lehilahy nahavan-doza namono nahafaty an’i Miah teny Nanisana. Voasambotry ny polisin’ny BC2 andro vitsy taorian’ny fahafatesan’io tovovavy io ity sakaizany nahavanon-doza ity. Nosarontsaromana ta­min’ny lozam-piarakodia, tratra ihany ny tompon’atoka mivantana tamin’ny fahafatesan’i Miah, ilay tovovavy fanta-daza tamin’ny fi­lalaovana “Echecs”. Ny sakaizan’io tovovavy […]

Nariana tao an-davadrano: zaza vao 2 taona maty novonoin-dreniny

Notanana vonjimaika any am-ponja ny renim-pianakaviana iray namono nahafaty ny zanany vao 2 taona monja, tao Mampikony, omaly. Nisaraka tamin’ny rain-janany io ramatoa io ny volana mey lasa teo. Taizan’aretina anefa ilay zaza ka tsy afa-nitsangana. Manoloana io fahasembanan-janany io, nitsiry ny hevi- dratsin’ilay ramatoa reniny. Novonoina tamin’ny fomba feno […]