Tranga

Toamasina : tovolahy hita faty natsin­gevan’ny ranomasina

Natsingevan’ny ranomasina ny fatina lehilahy iray mangana teo amin’ny faritry ny tendany, tao amin’ny fokontany Depot IV, Toamasina, ny zoma lasa teo. Mpanjono maraina no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakan’io olona io natsipitsipin’ny ranomasina teny amin’ny torapasika. Tsy nahitana taratasy nahafahana mamantatra azy teny amin’io hita faty io. Ahin’ny fokonolona ho […]

Voahitsaky ny kamiao: raim-pianakaviana, nipotsaka atidoha

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao mihazo ny Rocade Iarivo, omaly. Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao teo amin’ny lohany. Maty teo no ho eo, lehilahy iray voahitsaky ny kamiao lehibe iray teny amin’ny lalam-baovao Rocade Iarivo, omaly tamin’ny 3 ora to­lakandro. Kamiao mpitatitra fako miasa ao an-dRenivohitra avy any […]

Nanao tifi-danitra ny zandary : olona roa maty nipitihan’ny bala

Maty tsy tra-drano ny olona mianadahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambi­na­nindrano Mahanoro, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Nisy alim-pandihizana nokarakarain’ olona iray tao an-toerana. Nanao fampisehoana ankalamanjana ny mpanakanto iray tamin’io fotoana io raha alim-pandihizana jiromena kosa ny alin’io. Olon-tsotra no nikarakara izany. Teo no nitranga ny olana noho ny tsy […]

Raindahiny amin’ny fanafihana… : maty voatifitra i Mangerisetroka

Nidonan-tsekotra! Tapitra hatreo ny tantaran’ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana fantatra amin’ny anarana hoe Rakotonanahary François de Charles na i Charles Be na koa i Mangerisetroka, araka ny fahafantaran’ny olona azy. Lavon’ny balan’ny zandary tao Anjeva Gara, ny alatsinainy teo izy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tompon’antoka tamina fanafihana tao Andramanonga, […]

Hasarotam-piaro namoa-doza : maty novelesin’ny rafilahiny tavoahangy ilay lehilahy

Niafara tamin’ny famoizan’aina ny fifandirana nisy teo amin’ny mpivady tao anaty trano fandihizana iray tao Antalaha, ny alin’ny alahady 26 mey teo. Rafilahin-drangahy ihany no namono azy. Maty tsy tra-drano voavelin’ny tavoahangy nataon’ny rafilahiny ny lehilahy iray tao Maromikotra, kaominina Ampahana, dis­trikan’Antalaha, ny alin’ny 26 hifoha 27 mey teo. Naka […]