Nahitana fidinana ny tahan’ny olona nanatona toeram-pitsaboana nandritra ny fankalazana ny roa andron’ ny fetim-pirenena teo, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 194 ireo olona tonga nizaha fahasalamana teny anivon’ny Sampana vonjy taitra, tetsy amin’ny hopitaly HJRA. Miisa dimy ny olona maty, izay efatra maty tamin’ ny 25 jona, ary […]
Tranga
Fifamonoana tao amin’ny Oniversite: mpianatra iray voa mafy teo amin’ny lohany
Mpianatra miisa fito, eo anivon’ny Oniversiten’Antsiranana, naratra vokatry ny daroka sy vono nifanaovan’ izy ireo, ny alin’ny 26 jona teo. Mpianatra avy any Mandritsara ny dimy tamin’ireo voa mafy raha toa ka roa avy ao Antsohihy. Samy nisotrosotro nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ireo mpianatra ireo. Nanomboka nikotaba anefa ny […]
Mpamily notambazana Sprinter: mpitsara novonoina tamin’ny fomba feno habibiana
Tranga iray nampihorohoro ny namonoana ny Tonia mampanoa lalàna, niasa tao Mahajanga. Taorian’ny nahitana ny razana teny Antsahadinta, olona 15 voasambotra. Sakaiza manody! Ny mpamily ilay mpitsara novonoina no namono azy, hoy ny polisim-pirenena. Ankoatra azy, tratra ihany koa ny olona 14 hafa. Anisan’izany ny lehilahy roa, nanampy azy tamin’ny […]
Milaza ho vazaha: mpanodinkodin-jaza nahiditra eny Tsiafahy
Misandoka ho teratany vahiny, tratran’ny mpitandro filaminana ka nahiditra eny Tsiafahy ny lehilahy iray mpanadala sady manery zaza tsy ampy taona amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Hampiresahany ireo tanora tsy ampy taona ireo hanome sary mamoafady. Misoloky ho vazaha rahateo io lehilahy io ka manambitamby ireo ankizy tsy ampy taona ireo. […]
Nifanenjehan’ny fokonolona: dahalo raindahiny voasambotra
Dahalo raindahiny iray, tompon’antoka tamin’ny fandrobana omby nahafatesana olona, voasambotry ny zandary sy ny fokonolona tao amin’ny kaominina Antanimieva, distrika Morombe, afakomaly. Nokarohina taorian’ny fanafihana herinandro vitsy, naharay loharanom-baovao nirakitra ny mombamomba io dahalo io ny mpitandro filaminana. Nanao ny fomba rehetra nisamborana azy izy ireo. Nanampy tosika ny fokonolona. […]