Miantso ny tomponandraikitra hampihatra ny lalàna amin’ireo mpanondrana ny harem-pirenena antsokosoko ny fikambanan’ny mpikirakira tontolo iainana (AJE), tetsy Ambohidahy, omaly. Manararaotra ny savorovoro teto anivon’ny firenena, olom-boafidy iray anisan’ny nanao heloka bevava noho ny fanondranana sokatra aman-jatony efa nivoaka sahady ny fonja, amin’ izao fotoana. Manaitra ny tomponandraikitra manoloana io […]
Tranga
Fahafatesana mampiahiahy: Mpitaom-biriky roa niara-namoy ny ainy
Mpifankatia niaraka namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Tsarafirasaina, kaominina Ambano, distrikan’ Antsirabe II, omaly. Niakatra tao ambonin’ny biriky vao hodoroana ireo olona roa ireo. Olona hiasa maraina no nahatsikaritra ny fisian’ny olona efa nitsirara tao ambonin’ny biriky. Nampandre ny manodidina avy hatrany io nanatri-maso io. Niantso koa ny tomponandraikitry […]
Zava-mahadomelina: Roa lahy nahatrarana rongony 14 kg
Nandositra tao anatin’ny haizina ireo roa lahy nitondra rongony tamin’ny gony rehefa nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambanin’ny Hopitaly, kaominina Tsaratanàna, faritra Betsiboka, ny 18 oktobra teo. Nitatitra ny entana tao anatin’ny gony ireo roa lahy. Nanararaotra ny alina izy ireo ka nihevitra tsy hisy hahatsikaritra. Nifanandrify tamin’io fikasan-dratsy […]
Ramatoa novonoina teny Vontovorona: Voasambotra ny lehilahy iray nahavanon-doza
Lehilahy iray 18 taona no nahavanon-doza namono nahafaty ilay renim-pianakaviana (72 taona) iray tetsy Ampivelezandrano, Vontovorona, ny 7 oktobra teo. Tsy namaly arahaba ny anton’ny famonoana. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanety II, Vontovorona, afakomaly, ny olona telo mianaka. Nahitana renim-pianakaviana iray (54 taona), mpamboly sy ny zanany […]
Voafaokan’ny 4×4: Mpitondra moto namoy ny ainy
Voafaokan’ny 4×4 avy aoriana ilay kodiaran-droa, namoy ny ainy ny tovolahy vao erotrerony nitondra moto teny amin’ ny lalambe migodana na “autoroute” vaovao (AR1), omaly. Nitondra moto misy vitesse io lehilahy io. Nanararaotra ny fa-halalahan’ny arabe, mandeha mafy ireo fiara mifamezivezy amin’io toerana io. Nikasa hivily tampoka ilay mpitondra moto. Tsy […]




