Voasambotry ny zandary ny lehilahy nihazona vola sandoka mitetina 4 380 000 Ar tao Sambava, afakomaly. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpisoloky iray nahatrarana vola sandoka an-tapitrisany tao amin’ny tanànan’Analamandrorofo, distrikan’i Sambava, afakomaly. Nitondra vola io lehilahy io ka nanatona banky iray tao an-toerana. Nilaza hametraka io volany io ao amin’ilay banky izy. […]
Tranga
Fenoarivo Lakolosim-piangonana hita tao anaty bozaka
Narian’ny olon-dratsy tao anaty bozaka ny lakolosim-piangonana iray eny Manankasina, fokontany Ambohijatovo, kaominina Fenoarivo, distrika Antananarivo Atsimondrano, omaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny zandarimaria miasa ao amin’ny borigady eny an-toerana. Nahita tampoka io lakolosy io. Nentina nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminana avy hatrany io fitaovam-piangonana io. Tsy fantatra hatreto […]
Talatamaty: lehilahy hita faty teo amoron-dalana
Tsy nisy aina intsony, lehilahy 23 taona hita faty teny amin’ny fokontany Ambatotokana, kaominina Talatamaty, distrika Ambohidratrimo, afakomaly. Tsikaritry ny mpandalo vao maraina ny fisian’io olona io nitsirara tamin’ny tany. Efa niankohoka, navadiky ny nanatri-maso izy saingy efa tsy niaina intsony. Taitra ireo nanatri-maso ka niantso ny tomponandraikitra eo anivon’ny […]
Ambohimanga Rova: mpiambina maty nodarohana tamin’ny biriky
Nofatoran’ny telo lahy sady novelesina tamin’ny biriky ny mpiambina tanàna misy fiompiana kisoa, maty tsy tra-drano, tao amin’ny fokontany Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova. Nofatoran’ny telo lahy sady novelesina tamin’ny biriky ny mpiambina tanàna misy fiompiana kisoa, maty tsy tra-drano, tao amin’ ny fokontany Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova. Hita faty tao […]
Nandroba vola roa hetsy Ar: roa lahy voasambotry ny zandary
Jiolahy roa lahy voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Ambohimandroso, kaominina ambanivohitra Mahereza, omaly. Nahafantatra ireo olon-dratsy fa irery tao an-trano ny renim-pianakaviana. Nandondona ny varavarana izy roa lahy tamin’ny 11 ora alina. Nisoloky ireo mpandroba. Mody nilaza hanatitra ilay rangahy mamo izay vadin’io ramatoa io ireo roa lahy. Namoha […]