Namoizana ain’olona iray indray teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy teo amin’ny 17 km tsy hidirana ny tanànan’i Soanierano Ivongo, omaly maraina. Naratra mafy ny mpitondra ny Tuc-tuc niharan-doza. Niainga avy any Ampasimbe, nikasa hihazo an’Ambatonigara. Nandeha mafy loatra anefa ny mpamily ka tra-doza tampoka izy ireo. Nivadibadika tamin’ny arabe ilay Tuc-tuc. […]
Tranga
Nanolan-jaza 14 taona: mpimasy iray tratra
Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray nanao mpimasy sandoka tao Mahajanga, omaly. Tsy vitan’ny nisoloky, mbola naolan’ny lehilahy iray mitono-tena ho mpimasy koa ny zazavavy 14 taona, zanaky ny fianakaviana iray nosolokiany tao Mahajanga. Nampanantenain’io lehilahy io fa hahazo fahasoavana lehibe io fianakaviana nosolokiany io. Namidin’ny lasibatra avokoa ny […]
Tratry ny vela-pandriky ny polisy: nangalatra zaza varira, olona roa voasambotra
Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikasan-dratsin’ny mpaka an-keriny. Zaza varira iray avotra tao Vangaindrano, afakomaly. Olona roa voasambotra. Avotry ny mpitandro filaminana teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ny zazalahy iray vao 7 taona, tao amin’ny kaominina Anilobe, distrikan’i Vaingaindrano, ny talata 18 jona teo. Nalain’ny dahalo an-keriny teo anatrehan’ny fianakaviany io zaza varira […]
Nahatrarana PA sy bala dimy : mpivarotra basy voasambotry ny zandary
Fototry ny tsy fandriampahalemana, nataon’ny zandary hazalambo ka voasambotra ny lehilahy iray mpivarotra fitaovam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambonivato, kaominina ambanivohitra Ambodimanga II, distikan’i Fenoarivo Atsinanana. Manoloana ny fanafihana mitam-piadiana mitranga ao amin’io distrika io, namolavola paikady hanatrarana ireo mitam-basy tsy ara-dalàna ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Naharay loharanom-baovao izy ireo […]
60 lahy nanafika : maty voatifitra i Dadimainty
Dahalo enina lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika nanao hazalambo nandritra ny halatra omby tao amin’ny fokontany Ampilokely, kaominina ambanivohitra Befandriana Atsimo,distrikan’i Morombe, ny 14 jona teo. Anisan’ireo maty voatifitra i Dadimainty. Dahalo 60 lahy indray nanafika tao amin’io tanàna io. Nikasa handroba ny omby rehetra tao am-bala ireo olon-dratsy […]