Tsy mety fay mihitsy! Tratran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, ny 8 jona 2024 teo, ny lehilahy iray nisoloky milaza ho mpiasa ao amin’ny kaompania Madagascar Airlines. Milaza ity mpisoloky ity fa mahatafiditra olona hiasa ao amin’io kaompania io. Nambarany tamin’ireo olona solokiany fa mandray mpiasa ity kaompaniam-pitaterana ana […]
Tranga
Vangaindrano : 14 lahy nahatrarana rongony 56 gony
Rongony 56 gony saron’ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Mariany, kaominina Ampasimalemy, distrikan’i Vangaindrano, ny omaly. Nikasa hitatitra ireo zava-mahadomelina ireo ny lehilahy miisa 16. Tsikaritry ny olon-tsotra anefa izany ka nampandre ny mpitandro filaminana izy ireo. Tra-tehaka teo am-pitaterana ireo rongony tamin’ny gony am-polony ny lehilahy maromaro. Niezaka handositra avy […]
Fifampitifirana teto an-dRenivohitra: jiolahy telo matin’ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy teny Namontana, afakomaly, i Tsilakely. Tafakatra telo ny mpanendaka sy mpanao fanafihana mitam-basy voatifitra tao anatin’ny efatr’andro. Nirefodrefotra indray ny basy teny Namontana. Lavon’ny mpitandro filaminana i Tsilakely, jiolahy raindahiny, afakomaly alina. Lehiben’ny mpanao fanafihana mitam-piadiana “Bande des huit” eny amin’ny manodidina. Nanao ezaka manokana ny polisim-pirenena hamongorana […]
Itaosy: tratra ireo efa-dahy nanendaka mpitondra moto
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana avokoa, omaly, ireo olon-dratsy miisa efatra nanendaka sady nangalatra moto teny Itaosy. Hamonjy fodiana, nitondra moto ny raim-pianakaviana iray teny Antanimenakely, kaominina Itaosy, ny alin’ny 9 jona tamin’ ny 11 ora sy sasany alina. Nosakanan’ny lehilahy miisa efatra anefa izy. Tsy afa-nandositra ilay mpitondra moto. Nosavain’ireo […]
Naiditra am-ponja : mpianatra ho mpitsabo nangalatra finday
Tsy misy tandroka marina ny ratsy ! Tovolahy iray 31 taona mpianatra ho mpitsabo no voasambotry ny polisy noho izy voarohirohy ho nangalatra ny findain’ireo marary ao amina hopitaly iray lehibe eto an-drenivohitra, ny 6 jona lasa teo. Mitaraina ny ankamaroan’ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’io hopitaly lehibe io momba ny […]