Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny fifamoivoizana tetsy Anosy ny lehilahy iray, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Nanao sinto-mahery mpiandry taxi-be teny an-toerana izy io sy ny manany iray hafa. Lasan’izy ireo tamin’izany ny finday miisa roa an’ny vehivavy iray lasibatry ny asa ratsiny. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo […]
Tranga
Fanafihana ao amin’ny disitrikan’Avaradrano : Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny jiolahy miisa enina
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny jiolahy enina rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy, omaly. Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny vehivavy iray hafa, niray tsikombakomba tamin’izy ireo. Misesisesy ny fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny disitrikan’Avaradrano tato ho ato. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny an-toerana ireto andian-jiolahy […]
Tsy fandriampahalemana : Tafaverina ireo omby roa lasan’ny dahalo
Tafaverina tamin’ny tompony ireo omby nalain’ny dahalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilimaliniky (Toliara II), ny herinandro lasa teo. Nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny manam-pahefana sy ny kaomity mpanara-maso antsoina hoe: “Voromahery” tany an-toerana. Tsiahivina, nosakanan’ny dahalo miisa efatra mitam-piadiana ny tompon’omby iray tany Anonoky, ny 20 aogositra lasa teo. Niharan’ny fanafihana […]
Ankadifotsy : Lehilahy iray tratra namaky trano
Lehilahy iray tratra teo am-pamakiana tranon’olona tetsy Ankadifotsy Antanifotsy, afakomaly tamin’ny 08 ora maraina. Nosokafan’io olon-dratsy io ny vavahadin’ny tokantrano iray ary niditra an-keriny tao anatiny izy. Nahita izany ny mponina teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony avy hatrany […]
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy efatra lavon’ny balan’ny zandary tetsy Ankazotoho
Nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny zandary miasa etsy Anosizato ny alarobia alina hifoha alakamisy teo, tetsy Ankazotoho. Jiolahy miisa efatra lavon’ny balan’ny zandary. Niaina tao anaty horohoro sy tahotra ny mponina eny Ankozotoho, kaominina Anosizato Andrefana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, afakomaly alina. Poa-basy maro no henon’izy ireo nandritra […]




