Mampiahiahy ny fianakavian’ilay tovolahy hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao Amparatanàna, Fenoarivo Atsinanana, ny fihetsiky ny vehivavy vadiny, nanomboka ny alarobia 5 jona teo. Nifatotra tady ny tendan’ilay lehilahy tamin’io fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany io. “Tsy namono tena ny havanay fa novonoina. Nosarontsaromana tamin’ny famonoantena izany”, hoy […]
Tranga
Soanierana Ivongo: Tovolahy latsaka tao anaty rano mangokatra
Nitsovaka mihitsy ny vatan’ilay tovolahy iray antsoina hoe Galera latsaka tao anaty rano mangotraka, tao amin’ny fokontany Ambodivoanio Soanierana Ivongo, afakomaly. Tampoka ny fiavian’ny loza ary samy tsy nanampo izany ireo mpiara-miasa aminy. Avy nahandro ravin-jirofo izy ka teo am-piomankomanana hody no nisolifatra tampoka, latsaka tao anaty vilanibe mbola nisy […]
Nahondrana ao Kaomoro : olona telo nahatrarana sokatra 400 isa
Sokatra miisa 400 saron’ny mpitandro filaminana tao Moroni, nosy kaomoro, afakomaly. Nisy olona telo nosamborina ka naiditra am-ponja vonjimaika. Nampiahiahy ny mpitandro filaminana ao an-toerana ny fisian’ny mpanao trafika. Nosavaina ny trano fonenan’ireo olona nampiahiahy rehefa nahazo loharanom-baovao izy ireo. Nahitan’ny tomponandraikitry ny filaminana baoritra miisa telo tao amin’ny trano […]
Raharaha nahafaty an’i Fidelis Voriolo : migadra mandra-pahafatiny i Berthino
Nomelohin’ny fitsarana hamita sazy mandra-pahafatiny i Berthino, raha voasazy 10 taona an-tranomaizina kosa ny namany iray antsoina hoe i Lahadraza. Io ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara nandritra ny fitsarana raharaha ady heloka bevava tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, omaly. Samy niakatra fitsarana avokoa ireo roa lahy voampanga tamin’ity […]
Antsirabe : tanan’olona hita notarihin’ny alika
Tanan’olona efa simba, hitan’ny fokonolona notaritarihin’ny alika tao Antsahakely, kaominina Antsirabe I, omaly. Mpandalo no nahatsikaritra io tanan’olona io teny am-bavan’ny alika. Taitra ny manodidina. Nidina nanao ny fisavana ny toerana manodidina ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana. Tsy nahitana fatin’olona anefa teo amin’ny fokontany nisy ilay tanan’olona. Tsy nahare […]