Tranga

Antohomadinika: Jiolahy voasambotry ny polisy

Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ny jiolahy mpanao asa ratsy voasambotry ny mpitandro filaminana teny Antohomadinika. Nanao asa ratsy tao amina tokantrano iray ity olon-dratsy ity, ny herinandro lasa teo. Noraofiny, nandritra izany, ny entana sarobidy maromaro ka nanao fampahafantarana tamin’ny tambajotran-tserasera ny lasibatra. Voara­kitra tao anaty horonantsary rahateo ny […]

La Réunion Kely : Lehilahy mpividy entana halatra, voasambotra

Voasambotry ny polisim-pirenena, tetsy amin’ny La Réunion kely, omaly, ny lehilahy iray, 34 taona. Mpandray sy mpividy entana halatra eny an-toerana izy io. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy. Niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny olona iray ny nahazoana ity olon-dratsy ity. Tsiahivina, nitrangana vaky trano tetsy Ambohimi­rary, […]

Zandary roa maty : Novonoin’ireo mpitrandraka volamena

Karohina ireo mpitrandraka nivadi-pitokisana ka namono nahafaty zandary tao amin’ny fokontany Ambodiaviavy, kaominina Andranomavo, distrikan’i Mananjary, afakomaly. Maty vokatry ny daroka nahazo azy ny mpitandro filaminana roa niambina tao amin’io karieram-bolamena an’ny orinasa sinoa ao an-toerana io. “Tsy fanafihana avy any ivelany fa mpiasa ao anatin’ny toeram-pitrandrahana ihany no nisy […]

Nahatrarana rongony 30 kg : Olona telo notanana am-ponja

Lehilahy roa sy vehivavy iray niara-voasambotry ny zandarimaria tao Manjakandriana sy Ambatolampy rehefa nahatrarana rongony, afakomaly. Tratra tamin’ny toerana telo samihafa izy ireo raha toa ka mpiara-miasa ny roa. Nitondra entana niala avy any Andilamena hihazo an’Antananarivo Renivohitra ny lehilahy iray. Nanao fisavana tampoka ny zandary teny anivon’ny lalam-pirenena faharoa […]

Raim-pianakaviana nahavanon-doza: Maty notsatohany antsy ny zanany roa lahy

Maty novonoin-drainy tamin’ny antsy, ny zanany lahy 12 sy 8 taona tetsy Imerimanjaka, ny sabotsy alina lasa teo. Nikasa hamono tena izy taorian’izay, saingy tsy maty. Niady izy mivady ka tany amin’ireo ankizy no nanamparany ny hatezerany. Ankizilahy mpiray tampo, 12 sy 8 taona, maty notsatotsatohan’ny dadany niteraka azy tamin’ny antsy, […]