Notanan’ny polisy ireo telo lahy voasaringotra amin’ny hala-bola mitetina 2 tapitrisa Ar tao Mananara Avaratra, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny toerana iray ny olona miisa roa nampiahiahy. Tsy naharaka na inona na inona ny talen’ny orinasa kanjo nanjavona ny vola 2 tapitrisa Ar, ny 21 aogositra. Nampandre ny polisim-pirenena avy […]
Tranga
Fandefasana mpiasa any ivelany: 30 ireo trangana fisolokiana, olona dimy naiditra am-ponja
Nahatratra 30 isa ny trangana fisolokiana mahakasika ny fandefasana mpiasa any ivelany, tamin’ity taona 2025 ity, raha ny tatitra voaray eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy ny ady amin’ny hosoka. Olona dimy naiditra vonjimaika am-ponja taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanoavana ny 4 sy ny 20 aogositra 2025 lasa teo. […]
Voafira zava-maranitra: Karana hita faty tao an-tsenany
Nidiran’ny olon-dratsy tao amin’ny toeram-pivarotana, nofirain’izy ireo antsy teo amin’ ny tendany, ny karana iray ka namoy ny ainy tao Manga, kaominina Mahajanga, omaly atoandro. Mpamongady iray ao an-toerana nandritra ny taona maro io lasibatra io. Nivoaka nisakafo ny mpiasa tao aminy tamin’ny 12 ora atoandro. Hita nitsirara tamin’ny tany […]
Efa-dahy nanafika : Ramatoa voa mafy teo amin’ny lohany
Vaky loha ny renim-pianakaviana niharan’ny asan-jiolahy tao Ambolomadinika 21/14, kaominina Toamasina, afakomaly. Nidiran’ny olon-dratsy miisa efatra tao amin’ny trano fonenan’io ramatoa io. Tsy nisy alaharo, nidaroka sy namono ilay tompon-trano avy hatrany ireo mpanao ratsy. Nangonin’ izy ireo ny fitaovana sy zava-tsarobidy tao amin’io tokantrano lasibatra io. Araka ny loharanom-baovao, […]
Nisy nanindrona antsy : Vehivavy iray hita faty tetsy Ankadimbahoaka
Renim-pianakaviana iray, 36 taona, hita faty tetsy amin’ny Lalamby manakaiky ny fiantsonan’ny taxi-be Ankadimbahoaka, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana teo am-panatanterahana ny asany izy. Niboridana ny razana ary nahitana tsindrona antsy maromaro tamin’ny vatany, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Voatsindrona ny teo amin’ny tendany, ny […]




