Tranga

Ranohira : Tratra ireo roa lahy mpivarotra voamaso

Notanana vonjimaika any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ireo roa lahy tratra nivarotra voamaso tao amin’ny kaominina Ranohira, distrikan’Ihosy, afakomaly. Na­haray loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana fa misy roa lahy nikasa hivarotra voamason’olona mihaodihaody tao an-tanàna. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy sy nanao ny vela-pandrika […]

Ampitatafika: Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony

Hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony tetsy Ampita­ta­fika, omaly tamin’ny 7ora sy sasany maraina, ny raim-painakaviana iray 36 taona. Efa nentin’ny rano avy any ny ra­zana ary teny Ampitatafika vao hita. Heverin’ny olona fa ondana na zavatra hafa izany hay olona efa maty natsingevan’ny rano. Tonga teny an-toerana nahitana ny razana […]

Fisavana sandoka tetsy Antehiroka: Miaramila roa voasambotra, efatra hafa tafatsoaka

Nisy olona enina, nanatanteraka fisavana, voalaza fa sandoka, tetsy amin’ny tranon’ny ben’ny Tanàna teo aloha an’ny kaominina Antehiroka, Lalaina Vatosoa, omaly atoandro. Nanana ahiahy tamin’ny taratasy nentin’ireto farany ny tompon-trano ka nampandre ny zandarimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka. Vokany, voasambotra ny lehilahy roa izay miaramila niaraka tamin’ny basy PA. Tafapo­ritsaka […]