Tranga

Nikasa hitsoaka: Jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisin’ny Fip

Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fanenjehana jiolahy nataon’ny polisin’ny Fip tao Toamasina, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina. Nifanehatra tamin’ny kaomandin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, sy ireo namany ny jiolahy gagilahy amin’ny resaka vaky trano sy fanendahana tamin’io fotoana io. Efa namerimberina rahateo ny kaomandin’ny Fip fa tsy […]

Fito naratra teny Tsiadana: Taxi-be nifampitrongy, nivadika ny iray

Tapaka hisatra ny taxi-be an’ny zotra 119, afakomaly, teny Tsiadana. Notrongisiny ny fiaran’ny zotra 160 ka nivadika. Vokany, olona fito naratra, zazakely iray no tena voa mafy. Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olo­na teny amin’ny fokontany Tsiadana, Afakomaly atoandro. Taxi-be roa no nifandona teny an-toerana. Naha­tonga ny loza ny fahatapahana tampoka ny […]

Asan-jiolahy : roa lahy matin’ny fitsaram-bahaoka

Maty niharan’ny hatezeram-bahoaka ireo roa lahy tao Befandriana Avaratra, omaly atoandro. Voarohirohy ho tom­pon’antoka tamin’ny halatra omby miharo vono olona tao amin’ny tanàna tsy lavitra an’Ankobakobaka izy ireo. Notafihin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray ary lasan’ izy ireo ny omby folo, ny herinandro lasa teo. Nofatorana ny olona sasany tamin’ireo voaroba. […]

Mitentina 175 tapitrisa Ar: naiditra am-ponja ireo nangalatra kofehy

Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ireo mpiasa tompon’antoka tamina halatra tao amina orinasa afakaba iray eny Tanjombato. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ando­hara­no­fotsy, nitrangana halatra tao amina orinasa iray teny an-toerana. Nahaverezana kofehy fanamboarana akanjo tao amin’io orinasa io. Milanja 596 kg, mitentim-bidy 175 tapitrisa Ar […]

Fiparitahan’ny basy : nikaondoha ireo teknisianina

Nitsangana ny vondron’ireo rantsamangaika samihafa misehatra amin’ny fikirakirana ny fitaovam-piadiana. Nisy ny fivoriana niompana tamin’izany teny Ampahibe, notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Delphin, omaly. Ity vondrona ity, eo ambany fiahian’ny MFA, ahitana ireo andrimpanjakana sy ireo departemanta eo anivon’ny minisitera isan-tsokajiny ary ny mpivarotra basy (Neron). Toromarika […]