Nosavain’ny mpitandro filaminana ny Sodiat Borosy tetsy Talatamaty, ny sabotsy lasa teo. Nanatanteraka izany, ny mpitandro filaminana izay nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana, raha ny loharanom-baovao voaray avy eny an-toerana. Nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva tany ho any ny fisavana. Efa niantso polisy ny tomponandraikitra tao amin’io […]
Tranga
Ambatomaro: Jiolahy roa lavon’ny polisy
Jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy tetsy Ambatomaro, ny alin’ny alarobia 29 oktobra lasa teo. Nikasa hamoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy izy ireo ary saika hamely ireo mpitandro filaminana. Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny fokontany Ambatomaro ny alin’ny alarobia 29 oktobra lasa teo. Jiolahy roa lahy anisan’ny mpanao fanafihana mitam-piadiana eny […]
Mpanakan-dalana : Taksiborosy roa voatafika, voaroba ny 2 tapitrisa Ar
Notafihin’ny dahalo miisa sivy, mirongo fitaovam-piadiana, tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, afakomaly alina, ny taksiborosy miisa roa. Nitranga teo Antananarivokely, atsinanan’i Bevilany, Maevatanàna, ny loza. Nanao sakan-dalana ireo dahalo ary nandroba ny mpandeha tao anatin’ny fiara. Novelesin’ireo olon-dratsy tamin’ny vodi-basy ny mpamily fiara ka naratra mafy. Ramatoa iray nipetraka teo alohan’ny […]
Antanimena : Lehilahy iray tratra namono olona
Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena, tetsy Antanimena, afakomaly. Voarohirohy noho ny famonoana olona niniana natao izy io. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisim-pirenena ny marain’ny 29 oktobra 2025 lasa teo, fa misy olona voadaroka sy naratra mafy eo Antanimena. Nidina nijery ny zava-misy teny an-toerana ny polisin’ny UIR, taorian’ny […]
Tsy fisian’ny lakana: Lehilahy iray maty an-drano tetsy Anosipatrana
Natelin’ny ranon’Ikopa tetsy Anosipatrana, afakomaly alina, ny lehilahy iray. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakany. Nahitana lehilahy iray maty an-drano, tokony ho 33 taona, tetsy amin’ ny ranon’Ikopa Anosipatrana, omaly maraina tokony hotamin’ny 8 ora sy sasany. Niampita sy nilomano izy no nilentika ka izao hita faty izao. « Niaraka niampita […]





