Tranga

Anosibe : Tratra namaky trano i Fetra

Voasambotry ny polisy teo am-pikasana hamaky trano ny lehilahy iray 24 taona, tao Anosibe, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana, nanao asa fisafoana teny amin’iny faritra iny ny mpitandro filaminana. Tratra teo am-pangalarana entan’olona i Fetra izay tovolahy vao erotrerony. Nosakanan’ny polisy izy. Nosamborina ka nentina natao famotorana eny anivon’ny […]

Olana ara-teknika : Vehivavy iray namoy ny ainy, 20 hafa naratra

Olona manodidina ny 20 mahery naratra vokatry ny fivadihan’ny karandalana iray tany amin’ny fokontany Ankaroka, omaly. Vehivavy iray namoy ny ainy tamin’izany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tao amin’ny fokontany Ankaroka, kaomi­nina Ianabinda, distrikan’i Betroka, faritra Anosy, omaly tamin’ny 07 ora sy 20 minitra maraina. Nitrangana olana tampoka ny fiara […]

Fanafihana mitam-piadiana: Jiolahy maty voatifitra, tratra ny mpimasiny

Voasambotra tany Saha­valaina, lalam-pirenena faharoa, disitrikan’i Brickaville, i Tapatanana, izay ati-doha sy sefon’ny tambajotra miaraka aminy, taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Atsina­nana, ny 27 jolay teo. Niron­gatra ny fanafihan-jiolahy tao an-toerana, ka nanapa-kevitra ny lehiben’ny  fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Vahiny Yvi Sandro, nampiantso tampoka ny […]

Hala-jaza teny Ambohimahitsy : Vehivavy roa naiditra eny Antanimora

Niakatra fampanoavana omaly, ireo vehivavy miisa roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fahaverezan’i Tanyah kely, ilay hita faty teny Ambohimalaza. Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’­Antani­mora, omaly, ny ramatoa miisa roa voasaringotra tamin’ny hala-jaza niharo vono olona teny amin’ny fokontany Ambohitremo, kaominina Ambohimalaza. Niray tendro tamin’ny famolavolana ny teti-dratsy rehetra namonoana an’i […]