Maty tamin’ny fomba feno habibiana ny tovolahy iray. Voalaza fa matin’ny fitsaram-bahoaka noho ny fanolanana izy. Miahiahy vono olona niniana natao kosa ny mponina. Tsy fantatra mazava ny tena marina! Maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny tovolahy iray, ny fiandohan’ity herinandro ity. Andaniny, voatondro ho nanolana zaza tsy ampy […]
Tranga
Akon’ny fetin’ny Paka: nahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana
Vita iny ny fety! Polisy 1 250 indray nahetsika ho an’ny teto Analamanga nanomboka ny 29 marsa hatramin’ny alatsinain’ny Paka teo. Raha ny antontanisa navoakan’ny teo anivon’ny polisim-pirenena nandritra ny fety teo, nahatratra 159 ireo olona tratra nanao fandikan-dalàna. Olona iray nanao fanafihana mitam-piadiana ka nampiasa zava-maranitra raha dimy tratra namaky […]
Andranomanalina : jiolahy iray voatifitry ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, ny alahady vao maraina teo, ny jiolahy iray nitondra sabatra. Naharay fitarainana momba ny fisiana halatra miharo herisetra ataona andian-jiolahy eny amin’ny manodidina an’Andranomanalina ny polisy. Nametraka paikady manokana hiadina amin’ireo trangana tsy fandriampahalemana mampimenomenona ny olona ireo ny […]
Ankadifotsy Befelatanana : tokantrano 12 lasibatry ny haintrano
Ravan’ny afo tao anatin’ny minitra vitsy ny trano lehibe iray nisy rihana roa tao Ankadifotsy Befelatanana, omaly atoandro. Tokantrano 12 traboina. Niainga avy tamin’ny fifampikasohan’ny herinaratra, hotohoton’ny afo ny trano iray misy rihana roa tao Ankadifotsy, omaly atoandro tamin’ny 2 ora sy 36 minitra. Niainga avy tao amin’ny rihana farany […]
Nosy Be : voasambotra ilay nanindrona antsy mpisolovava
Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy iray namono nahafaty ny mpisolovava iray tao amin’ny Bazary Kely Andavakotoko, kaominina Nosy Be, ny 30 marsa teo. Hamonjy tsena io mpisolovava fantatra amin’ny anarana Rasamoelina Andry io. Miasa ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao an-toerana izy. Tsy nanampo na inona na inona, notsindromin’ny lehilahy […]