Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ankazobe, ilay lehilahy nanidrona antsy inenina ny lehilahy iray hafa, tao amin’ny kaominina Ambohitromby. Niaro ny anabaviny tsy ampy taona saingy efa tao anatin’ny hamamoana, nandratra olona tamin’ny fomba nahatsiravina ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany sady kaominina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe io, ny 26 […]
Tranga
Raharaha Ambohimalaza: Naiditra am-ponja i Fenohasina sy ny reniny
Vita omaly alina ny fakana am-bavany an’i Fenohasina sy ny reniny, mahakasika ny raharaha nahafatesan’olona am-polony teny Ambohimalaza, nanomboka ny 14 jona lasa teo. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora izy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Taorian’ny fakana am-bavany, nijery ny vesatra niandry azy ireo ny mpitsara mpanao famotorona ka namoaka didy […]
Fanondranana volamena antsokosoko: Teratany srilankey iray tratra, roa lahy hafa karohina
Volamena 2,115 kilao no tratra saika haondrana antsokosoko. Sarona koa ny trano fandrendrehan’ireo mpanao trafika bolongam-bolamena. Nahomby indray ny ezaka nataon’ny Fadintseranana malagasy. Teratany srilankey iray no tratra nitondra volamena antsokosoko, milanja 2,115 kilao, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 22 jolay teo. Nikasa handray ny sidina EK 708 ho any […]
Nikasa handositra tao amin’ny birao: Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny zandary
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny zandary teny Fenoarivo, afakomaly, tamin’ny 9 ora alina. Rehefa nikasa handositra sy handrombaka ny basin’ny zandary iray nanao andrimaso azy tao amin’ny biraon’ny zandary. Notazomina sy natao fanadihadihana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy rehefa voasambotra ny alahady 27 jolay lasa teo. Efa nitady hirika […]
Paraky-Andrefan’i Mananjara: Efa-dahy nahatrarana fitaovam-piadiana
Basy poleta niampy bala telo saron’ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Mahamasina, tany amin’ny efa-dahy, teny Paraky, Andrefan’i Mananjara, ny alahady 27 jolay maraina teo. Nanao fisafoana alina teny an-toerana ny ekipan’ny polisim-pirenena. Nisy andian-dehilahy naneho fihetsika hafahafa ka nanatona ny mpitandro filaminana. Natao ny fisavana. Nahatrarana rongony ireo lehilahy […]




