Namoy ny ainy tao anaty lavadrano, tany amin’ny fokontany Antanimasaja, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray (28 taona), tamin’ny 1 ora sy sasany. Sempotra noho ny fisiana entona ratsy tao anaty lavaka izy. Nikarama nampiakatra maoteran-drano efa simba tao anaty vovo, tany amin’ny fokontany Antanimasaja, vakim-paritra faharoa Mahajanga, izy io, izao nindaosin’ny […]
Tranga
Ilanivato Anosipatrana : Trano fiompiana akoho may kilan’ny afo
Nitrangana haintrano indray tetsy Ilanivato, ny afakomaly alina tamin’ny 9 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo nandritra izany, ny trano fitoerana sy fiompiana akoho avo karazana izay nahitana rihana telo. Levon’ny afo sy maty nandritra izany, ny akoho miisa 100. Tsy fantatra mazava ny antony nihavian’ny afo fa avy any […]
Moto nifandona : Olona roa naratra mafy tetsy Nanisana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Nanisana, afakomaly hariva. Moto anankiroa no nifandona mafy teo akaikin’ny rond-point Nanisana tamin’io fotoana io. Potika sy niforitra tanteraka ny lohan’ireo kodiaran-droa nifandona ireo. Nianjera sy nitsirara tamin’ny arabe ireo nitondra azy. Vokany, olona roa naratra mafy, vokatry ny dona nahazo azy. Izay nahitana ny mpitondra ny […]
Olona enina naiditra am-ponja: Zaza varira nalaina an-keriny, tafaverina tamin’ny fianakaviany
Avotry ny polisim-pirenena, omaly, tany amin’ny kaominina Antranomaro, distrika Amboasary Atsimo, ny zaza varira iray nisy naka an-keriny. Olona enina voarohirohy tamin’izany, efa naiditra vonjimaika am-ponja. Hita sy avotry ny polisim-pirenena soa aman-tsara, tany amin’ny kaominina Antranomaro, distrika Amboasary Atsimo, faritra Anosy, omaly, ny zaza varira (12 taona) iray nisy […]
Toamasina Renivohitra : Mpirakidraharaha notafihin’ny jiolahy
Tsy milamina i Toamasina! “Efa ny jiolahy no tompon’ny tanàna ary sahy mampihorohoro ny fiarahamonina rehetra ary mihetraketraka izay tsy izy”. Izay no azo hamehezana ny fitarainan’ny mponin’i Toamasina, ankehitriny. Ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 23 oktobra teo, notafihin-jiolahy miisa efatra misaron-tava sy mirongo fiadiana toy ny basy sy […]





