Voalaza fa resin-tory teo am-piandrasana ny sisin’ala tany Ambodimanga ny lehilahy iray. Nianjera tany amin’ny arabe izy ary voahitsaky ny fiarabe sendra nandalo. Maty tsy tra-drano ary vaky niparitaka tamin’ny arabe ny atidohany. Lehilahy iray tokony ho 40 taona maty vaohitsaky ny fiarabe mpitatitra tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly atoandro, […]
Tranga
Taksiborosy nivadika : Mpandeha 12 naiditra hopitaly
Tapa-tanana ny renim-pianakaviana 76 taona ary tapaka fe ny lehilahy 23 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny lalam-pirenena fahafito, 7 Km tsy hiditra ny tananàn’Ambositra, omaly maraina. Niainga avy any Vangaindrano io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’Antananarivo Renivohitra. Nifandona tampoka tamin’ny fiara iray hafa avy any Toliara ilay taksiborosy. […]
Ampefiloha: Mpangalatra tratran’ ny fokonolona
Mpangalatra entana anaty fiara mipetraka eny Ampefiloha nifanenjehan’ny fokonolona, afakomaly. Mijerijery ireo fiara heveriny ho tsy misy mpiambina eny an-toerana, manokatra tampoka ny varavarana, io lehilahy io ary mangalatra ireo fitaovam-pihainoana toy ny autoradio. Tsikaritry ny manodidina io fihetsik’ilay lehilahy io. Niray hina avy hatrany izy ireo ka nifanenjehana ilay […]
Lehilahy novonoim-badiny: Notontain-dramatoa vato ny filahiany
Hita faty tao an-tanimbary ny raim-pianakaviana iray, afakomaly. Ahina ho tompon’antoka ny vadiny. “Notontaiko vato ny filahiany, novelesiko hazo ny lohany”, hoy ny fitantarany tamin’ny mpanao famotorana. Nitangoronan’ny alika, lehilahy iray hita faty efa simba tanteraka tao amin’ny tanimbary iray amin’ny fokontany Ambodiala, kaominina Maromitety I, distrikan’i Marolambo, ny 27 […]
Lonilony hatry ny ela : Naiditra am-ponja ilay zaodahy nanindron’antsy
Natolotra ny fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny raharaha mahakasika ny fanindronana antsy olona teny Andoharanofotsy, ny 19 hifoha 20 jolay 2025 lasa teo. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjam-ben’i Tsiafahy, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy iray nahavita nanindrona antsy ny zaodahiny. Raha tsiahivina, nisy lanonam-pianakaviana teny Andoharanofotsy […]




