Maty voahitsaky ny kamiaobe ny renim-pianakaviana iray 27 taona tao Ambohimanambola, afakomaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Nandalo ny arabe io fiara mpitatitra entana io. Naka sisiny avokoa ny mpandeha an-tongotra rehetra. Niloloha entana anefa ilay ramatoa kanjo nidona tampoka tamin’ny tafontrano nandalovany ny entana teny an-dohany ka nianjera tamin’ny tany […]
Tranga
Nidaroka mpanatitra entana: jiolahy roa naiditra eny Antanimora
Naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, ny jiolahy roa nidaroka tamin’ny “bois-rond” mpanatitra entana iray tao Ambohimitsara, kaominina Ambohimangakely, distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Nanafatra akanjo tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ireo jiolahy roa lahy. Nampandaloviny amin’ny toerana mangingina ny mpanatitra io entana io, ny 6 mey lasa teo tamin’ny 3 ora sy sasany. Nandrasan’ireo […]
Nahatrarana basy dimy: maty voatifitra i Njara Kelialoka
Dahalo am-polony nikasa hanafika tanàna iray tao Ambatofinandrahana. Maty voatifitry ny zandary ny iray. Sarona ny basy mahery vaika miisa dimy. Ravan’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny fanafihana mitam-piadiana nokasain’ny dahalo am-polony hotontosaina tao amin’ny tanànan’Andravelona, fokontany Tsimamaliavona, kaominina Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny 8 mey teo tamin’ny 2 ora tolakandro. […]
Anosizato Andrefana : trano fivarotan-kazo nirehitra
Nitrangana haintrano indray teny Anosizato Andrefana, omaly hariva. Trano fivarotan-kazo ity nirehitra tampoka ity. Samy tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpiasa sy ny tompon-trano fa ny afo efa nirehitra no nahataitra ny rehetra. Raikitra teo ny fifanjevoana satria nijoalajoala ny afo narahina setroka maintibe nahazo tamin’ireo ampahan-kazo […]
Nalain’ny dahalo an-keriny : zazavavy 10 taona avotra
Tafaverin’ny mpitandro filaminana eny anivon’ny fianakaviany ny zazavavy iray 10 taona nalain’ny dahalo an-keriny, tao Beteramahamay, distrikan’Ambatoboeny, afakomaly. Nalain’ny olon-dratsy tao an-tanàna niaraka tamin’ny omby am-polony io zaza io. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny vatan-dehilahy tao an-tànana. Nanatevin-daharana ny mpitandro filaminana izy ireo. Vokany, nifanehatra tamin’ny mpanara-dia teny amin’ny moron’i […]