Razana, vehivavy iray 31 taona, hita nilevina teo amoron’ny tatatra amin’ny sakeli-dranon’i Kibay, ao Benitompony, fokontany sy kaominina Alatsinainikely, disitrikan’ Analavory, ny talata 21 oktobra lasa teo. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra mahakasika io tranga io ny zandary avy ao amin’ny tobim-patitra Analavory, tamin’ny 09 ora maraina. Nidina ifotony nijery […]
Tranga
Ankadimbahoaka : Jiolahy iray lavon’ ny polisy
Nirefodrefotra ny basy tetsy Ankadimbahoaka, ny alin’ny alakamisy 23 oktobra 2025 lasa teo. Jiolahy raindahiny iray, malaza amin’ny fanendahana sy fanafihana miaro herisetra lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Service central Anti-gang (SCAG). Nisy andian-jiolahy efa mihaodihaody teny amin’ny faritra Paraky sy Ankadimbahoaka iny. Nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso avy hatrany […]
Efa-dahy nandroba tetsy 67 Ha : Lehilahy maty voatsatoka antsy
Namoy ny ainy ny lehilahy voatrobaka nifanandrify tamin’ny fony, teny 67 Ha Atsimo, ny alin’ny alakamisy 23 oktobra lasa teo. Vola 2 tapitrisa Ar tsy hita. Norobain’ny mpanendaka miisa efatra, voa mafy teo amin’ny faritry ny fony ka tsy tana ny ain’ny lehilahy iray, teny amin’ny faritry 67 Ha, afakomaly […]
Natelin’ny ranomasina : Mpanjono roa lahy niara-maty
Namoy ny ainy ny roa lahy tamin’ireo mpanjono miisa dimy niara-nanarato tao Toamasina, ny alarobia 22 oktobra lasa teo. Niala tao Toamasina, ny asabotsy teo, nandeha lakana misy maotera ireo mpanjono ireo ka nitodi-doha hiakatra an-tanety, io andron’ny alarobia io. Hitan’ny mpanarato handeha hiasa vao maraina nitsingevana ambony rano, milomano hamonjy […]
Andohan’i Mandroseza: Voaroba ny entana tao an-trano
Norobain’ny tontakely ny fatana mandeha amin’ny herinaratra, fitoerana firavaka sarobidy ary zavamaneno tao amin’ny tranon’ny mpianatra iray, teny Andohan’i Mandroseza. Tsy hitan’ny tompony izany raha tsy ny andron’ny alarobia 23 oktobra. Nandritra ny fikorontanan’ny raharaham-pirenena, namonjy ny ray aman-dreniny tany Toamasina ny tompon-trano noho ny fahatapatapahan’ny fianarana teny amin’ny Anjerimanontolo. […]





