Voasambotra ny olon-dratsy nangalatra finday sy kapan’ ireo mpivavaka tao amin’ny Mosquée Ambolokandrina, ny 22 jolay tamin’ny 09 ora alina. Nahatsikaritra ny asa ratsy nataon’ io olona io ny polisy nanao ny asa fiambenana tao amin’io fiangonana io ka nisambotra azy. Niezaka handositra niaraka tamin’ireo entana nangalariny io lehilahy io […]
Tranga
Fiara tapaka hisAtra : Vehivavy iray maty notrongisin’ny kamiao
Maty tsy tra-drano, voatrongin’ny kamiao ny renim-pianakaviana iray, tamin’ny sabotsy alina. Teo anelanelan’i Tsinjony sy Ambalavao, lalam-pirenena fahafito no nitrangan’izany. Tra-doza teo amin’ny PK27+700, anatin’ny lalam-pirenena fahafito, ny alin’ny sabotsy teo, tamin’ ny 8 ora sy sasany ny kamiao mpitatitra entana niainga avy eto Antananarivo nikasa hihazo an’Antsirabe. “Nitondra entana […]
Ankasina : Roa lahy maty voatifitry ny polisy
Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny jiolahy roa mitam-piadiana. Lavon’ny bala teny Ankasina, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo izy ireo. Mirongatra ny asan-jiolahy eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha sy Ankasina iny tato ho ato. Mampiasa sabatra sy fitaovam-piadiana mihitsy ireo mpanao ratsy. Nanao hetsika manokana hisorohana io tsy fandriampahalemana […]
Alakamisy Anosiala : Trano 11 tafo narodana
An-taonany maro nifandroritana teny anivon’ny fitsarana, noravan’ny vaditany ny trano miisa 11 tafo eny amin’ny kaominina Alakamisy Anosiala, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo. Nigadona vao maraina ny mpanatanteraka didy ka nitondra mpandrava ny trano tafiditra anatin’ny tany nahazoan’ny voalaza ho tompon-tany rariny. Didim-pitsarana efa nivoaka tamin’ny taona 2006 io […]
Fametavetana ankizivavy: Lehilahy naiditra amponja eny Tsiafahy
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tovolahy iray, voasambotra ny 19 jolay lasa teo. Sady mametaveta ankizivavy izy no mandrakitra izany anaty horonantsary. Misarika ireo tovovavy tanora amin’ny alalan’ny fakana sary atao amin’ny dokambarotra ity lehilahy iray nanolana zaza tsy ampy taona ity. Notanana vonjimaika eny Tsiafahy, taorian’ny fampanoavana teny […]




