Niakatra fitsarana teny Avaradrano, ny 23 jolay lasa teo, ny raharaha fitoriana vazaha nanao herisetra tamin’ny mpiasa ao aminy teny Andranovelona Ilafy. Nivoaka afakomaly ny valim-pitsarana ka voasazy higadra an-tranomaizina mandritra ny herintaona izy sy ny mpamiliny, raha ny didy nivoaka. Mandoa onitra 1 tapitrisa Ariary ihany koa izy ireo. […]
Tranga
Nandrahona mpanao gazety: Sinoa roa lahy naiditra am-ponja
Nanao didin’ny be saina, teratany Sinoa roa lahy sy Malagasy miisa dimy notanana vonjimaika any am-ponja taorian’ny fampanoavana tao Fenoarivo Atsinanana, ny alarobia 30 jolay teo. Nosimbain’ireo sinoa ny lalana vao vita tara sy vao notokanan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, tao Voahilava Nosy St Marie, ny alatsinainy 28 jolay lasa […]
Fiara tapaka hisatra : Mpandeha fito niara-maty
Olona fito niara-namoy ny ainy vokatry ny fahatapahan’ny hisatry ny fiara nitondra azy ireo tany Beranomaso, omaly. Tsy voafehin’ny mpamily ny familiana ka nahatonga ny loza. Namoy ny ainy ny mpandeha miisa fito tao anatin’ny fiara iray tra-doza tao Beranomaso, amin’ny lalana mampitohy an’i Mahabo sy Miandrivazo, omaly maraina, tamin’ny […]
Fanafihana eny amin’ny RN2 : Jiolahy valo naiditra ao Ambalatavoahangy
Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Anjakan’ny asan-jiolahy mahery vaika eo anelanelan’i Brickaville Antsapanana, lalam-pirenena faharoa sy Amboditavolo, lalam-pirenena faha-11 A, mihazo an’i Vatomandry tato ho ato. Lasibatr’ireo andian-jiolahy ireo ny taksiborosy sy kamiao, hatramin’ny mpandraharaha. Noho izany, nanao ezaka hampandriana fahalemana ny zandary ka nanao […]
Fanolanana ankizy efa-taona : Voaheloka higadra dimy taona am-ponja i Francky
Nivoaka ny alakamisy 24 jolay maraina teo, tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ny valin’ny raharaha fanolanana, fametavetana ankizy tsy ampy taona “attentat à la pudeur”, voafaritry ny fehezan-dalàna famaizana laharana faha -331, andininy voalohany. Nilatsaka ny didy ka nomelohina higadra dimy taona am-ponja Randriamarolahy Nambinintsoa Francky. Raharaha nandrasan’ny maro ity didim-pitsarana […]




