Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahasivy, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora sy fahatelony tolakandro. Nitranga teo anelanelan’ny tanàna Ampihamy sy Antseva, kaominin’Ankililoaka, distrikan’i Toliara II, ny loza. Fiara tsy mataho-dalana iray nitondra olona telo lahy no niharan-doza teo amin’ny lalana mahitsy sy nalalaka. Nandeha mafy ny […]
Tranga
Asan-dahalo: Omby 200 mahery very tany amin’ny distrikan’Antsalova
Nitrangana fanafihana sy halatra omby tany amin’ny fokontany Akaja, kaominina ambanivohitra Antsiandro, disitrikan’ Antsalova, Bemaraha Atsinanana, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Lasan’ny dahalo, nandritra izany, ny omby manodidina ny 200 isa, izay ombin’ny mpikambana ao amin’ny Mada omby. Niainga ny alahady lasa teo avy any Antsalova, hihazo ny tsenan’i Tsiroanomandidy […]
Nampiakatra maoteran-drano simba: Raim-pianakaviana maty sempotra tao anaty vovo
Namoy ny ainy tao anaty lavadrano, tany amin’ny fokontany Antanimasaja, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray (28 taona), tamin’ny 1 ora sy sasany. Sempotra noho ny fisiana entona ratsy tao anaty lavaka izy. Nikarama nampiakatra maoteran-drano efa simba tao anaty vovo, tany amin’ny fokontany Antanimasaja, vakim-paritra faharoa Mahajanga, izy io, izao nindaosin’ny […]
Ilanivato Anosipatrana : Trano fiompiana akoho may kilan’ny afo
Nitrangana haintrano indray tetsy Ilanivato, ny afakomaly alina tamin’ny 9 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo nandritra izany, ny trano fitoerana sy fiompiana akoho avo karazana izay nahitana rihana telo. Levon’ny afo sy maty nandritra izany, ny akoho miisa 100. Tsy fantatra mazava ny antony nihavian’ny afo fa avy any […]
Moto nifandona : Olona roa naratra mafy tetsy Nanisana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Nanisana, afakomaly hariva. Moto anankiroa no nifandona mafy teo akaikin’ny rond-point Nanisana tamin’io fotoana io. Potika sy niforitra tanteraka ny lohan’ireo kodiaran-droa nifandona ireo. Nianjera sy nitsirara tamin’ny arabe ireo nitondra azy. Vokany, olona roa naratra mafy, vokatry ny dona nahazo azy. Izay nahitana ny mpitondra ny […]





