Naratra voan’ny tora-bato teo amin’ny teta-masony, ny zandary iray nandritra ny fitokonan’ny mpianatry ny Oniversite an’Antananarivo, teny Ankatso, omaly. Nidina an-dalam-be, nitsoaka kiririoka nanohy ny fihetsiketsehany ireo mpianatra. Raikitra ny tora-bato nataon’ireo mpianatra nanoloana ny mpitandro filaminana. Niezaka nifehy ny fandriampahalemana teny amin’ny manodidina ny zandarimaria, ny maraina. Voatoraky ny […]
Tranga
Hetsika Tselatra: tratran’ny miaramila i Tongany sy i Takoany
Noraisim-potsiny! Taorian’ny didy fampisamborana navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mampikony, tratran’ny miaramila i Tongany sy i Takoany, dahalo roa lahy samy raindahiny amin’ny fanafihana. Miaramila ao amin’ny sakelika voalohany, anatin’ny vondrona mpampandry tany iraisam-piadiana faharoa, manao ny hetsika « Tselatra », tao amin’ny fokontany Mangarivotra, kaominina ambanivohitr’i Malakialina, fari-piarovana sy filaminana Ankarafantsika […]
Mirongatra ny vaky trano… : jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina
Jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka tao Andranomadio Toamasina, afakomaly. Raim-pianakaviana iray no niharan’ny fanendahan’io jiolahy io ka nahatezitra ny fokonolona… Mirongatra ny vaky trano sy fanendahana ao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina. Lasibatry ny jiolahy hatrany ny akoho amam-borona sy ny entam-barotra, hatramin’ny lamba miahy eo an-tokontany aza, lasa daholo, araka ny […]
Lasa ny vola 250 000Ar : mpivady naratra mafy nodarohan’ny jiolahy
Naratra mafy ny mpivady tompona trano fivarotana iray nandritra ny fanafihan-jiolahy tao Ambohinaorina, fokontany Manakambahiny, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Nosokirin’ireo jiolahy tamin’ny baraminina ny varavarana, tamin’io alina io, ka tafiditra tao an-trano ry zalahy. Tsy nisy resaka fa daroka avy hatrany no nahazo azy mivady tompon-trano […]
Toliara: Jiolahy maty voatifitra
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR tao amin’ny fokontany Ankatsaky, Toliara, omaly maraina. Nanakana Cyclo-pousse ireo olon-dratsy. Ilay mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily nefa nitaingina an’io fitaovam-pitaterana io. Nanambana azy sy nikasa handroba ireo jiolahy. Namoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy avy hatrany ilay polisy. Raikitra ny fifampitifirana. Nitsoaka nandositra […]