Tranga

Raharaha Ambohimalaza : Tsy mbola voaantson’ny zandary ny tompom-pety

Hatramin’ny fotoana nanoratanay, tsy mbola nampanantsoina teny amin’ny zandary ilay tompon’ny fety teny Ambohimalaza. Efa misy olona 17 sitrana, nivoaka ny hopitaly, raha ny vaovao ofisialy. Natao famotorana teny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava eny Fiadanana ireo olona telo efa notanana vonjimaika, niampy ny renin’i Fenohasina ilay tompom-pety, omaly. “Atao fanadihadiana […]

Minisiteran’ny Fitsarana: Hohadihadiana ilay tompom-pety

Mitohy ny raharaha fitsarana mahakasika ny tranga fa­napoizinana nahafatesan’olona miisa 31 nandritra ny fankalazana ny tsingerin-taona teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Hiatrika fanadihadiana tsy ho ela ny tompom-pety sy ny fianakaviany, raha ny fanambarana nataon’ ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomamonjy Benjamin Alexis, afakomaly. Efa nisy nitory ihany koa […]

Nosy Be Hell-Ville : Olona telo voasambotra

Vehivavy roa sy lehilahy iray nosamborin’ny zandarimaria miasa ao Nosy Be, omaly. Mpanamparitaka horonantsary mamoafady ary manolana zaza tsy ampy taona mihitsy ireto voasambotra ireto. Mifampiresaka amin’ny teratany vahiny amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny vehivavy iray ka amidiny ireo horonantsary namboariny. Tsy olon-kafa fa anisan’ireo zaza lasibatra tamin’io fihetsika mamoafady naparitak’izy […]

Ambatondrazaka : Mpivady niara-hita faty tao an-tranony

Mpivady hita faty tao amin’ny trano fonenany tao Antsahalava Ambatondrazaka, omaly. Niara-nisakafo tamin’ny zanany vao 5 taona monja izy mivady ny alin’ny sabotsy hifoha omaly alahady. Voalaza ho nihinana sakafo tsy fihinana na­tao laoka, renim-pianakaviana sy ny vadiny hita faty tao an-tranony, tao An­tsa­halava Ambatondrazaka, oma­ly maraina. Nahandro karazana voan-javatra […]

Nilalao teo an-tokotany : Naolan’ny tovolahy iray i Henintsoakely, 4 taona

Raharaham-pitsarana nahavariana ny mpanara-baovao ny antontan-taratasin’ady laharana faha-1810/RP/25- IS/ST/LT, tetsy amin’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, ny alakamisy 17 jolay teo, hanenjehana an-dRandriamarolahy Nambinin­tsoa Francky. efa voatazona vonjimaika am-ponja, ny 7 jolay lasa teo. Nandritra ny adihevitra teo amin’ny fotoam-pitsarana, nambaran’ny mpa­n­gataka onitra fa tia milalao “balançoire” ny zanak’izy ireo, efatra taona. […]