Tranga

Miverina ny asan-jiolahy ao Betroka: Zandary efatra maty voatifitra, nifandona tamin’ny dahalo

Lavo am-perinasa ny zandary miisa efatra tao Betroka, omaly maraina. Tompon’antoka tamin’izany ny andian-dahalo an-jatony Mpitandro filaminana miisa efatra niara-namoy ny ainy nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tao Tanandava, kaominian Isoanala, distrikan’i Be­troka, omaly maraina. Dahalo an-jatony nitondra fitaovam-piadiana nanafika tanàna. Nentin’izy ireo ny omby an-jatony ny alin’ny alakamisy hifoha […]

Fisafoana amin’ny alina : Mifanampy ny polisy sy ny andrimasom-pokonolona

Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona ifotony eny anivon’ny fokontany na Vaomieran’ny fandriampahalemana ny polisim-pirenena, notarihin’ny talen’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka, ny kaomisera Andrianalison Haminiaina, afakomaly. Manoloana ny tranga fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy nanomboka ny 25 septambra lasa teo, tsy mitsahatra manao ny asany ireo vaomiera eny anivon’ny fokontany mandrafitra ireo boriborintany enina […]

Taksiborosy nivadika : Mpandeha folo niara-maty

Vehivavy dimy sy lehilahy dimy samy namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny taksiborosy iray avy eny ambony tetezana, tany amin’ny lalam-pirenena fahenina “Pont Sofia”, kaominina Marovantaza, distrikan’Analalava, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Niainga avy any Mahajanga, nikasa hihazo an’Antsohihy io fiara mpitatitra io. Nidona mafy tamin’ny sisin’ny arofanina teo ambonin’ny […]

Tovolahy hita faty tetsy Tanjombato : Nendahin’ny olon-dratsy sy nosemporina tao anaty rano

Hita faty tao anaty ranon’Ikopa, teny amin’ny Fasika Tanjombato, omaly tamin’ny 7 ora maraina, ny tovolahy iray tokony ho 23 taona. Vatana efa tsy nisy aina intsony, nikainkona ny tanany sy ny tongony no hita tao anaty rano. Nahita vatana mangatsiaka natsingevan’ny rano teny an-toerana ny mpitondra lakana, handeha hiasa […]

Fiara nifandona : Lehilahy iray maty, efatra hafa naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina in­dray tetsy amin’ny lalam-pirenena faharoa iny, afakomaly tamin’ny 7 ora sy fahefany hariva. Nitranga teo amin’ny toerana Antsampazana, Fo­kon­tany Andranokobaka, PK 6+200, ny loza. Fiara Peugeot 206 iray no nisongona tamin’ny toe­rana mampidi-doza. Nidona sy nifatratra tamin’ny fiara Kibota iray izay nifanenana taminy io fiara io […]