Tranga

Lozam-piarakodia mahatsiravina : Telo maty, sivy naratra

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, dimy naratra mafy teny Iavoloha, omaly. Voafaokan’ny fiara 4X4 izy ireo. Olona roa maty, efatra naratra tany Tsiroanomandidy noho ny fivadihan’ny fiara nentin’olo-mamo. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy Iavoloha, omaly, tamin’ny 2 atoandro. Fiara 4X4, marika Range Ro­ver, iray avy any amin’ny Rond point […]

Nifandona tamin’ny taxi-be : Olona roa nitaingina moto namoy ny ainy

Mpitondra kodiaran-droa iray namoy ny ainy rehefa nifandona tamin’ny taxi-be, teny amin’ny fokontany An­kazobe, kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avara­drano, omaly maraina. Nitain­gina moto scooter, lehilahy iray sy vehivavy niaraka taminy ireo tra-doza ireo. Niala bisikileta teo alohany io moto io kinanjo nifatratra tampoka tamin’ny taxi-be izay nifanoha-dalana tamin’izy ireo, araka ny […]

Vondron’orinasa Sodiat : Nanaovan’ny mpitandro filaminana be midina

Nosavaina ireo orinasan’ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy, omaly. Naharitra ora valo izany. Nitondra taratasy ara-dalàna ny mpanatanteraka ny baiko teny an-toerana. Notanterahin’ny polisy avy amin’ny Brigade criminelle, omaly, ny fi­savana ny orinasa roa eo anivon’ny Groupe Sodiat an’ny mpandraharaha Ravato­ma­nga Maminiaina. Nahitana ny Madagascar Security Aca­demy (orinasa fanofanana mpi­ambina) sy ny […]

3 tapitrisa Ar lasan’ny jiolahy: Raim-pianakaviana maty voatifitra

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany Mangarano II, parcelle 11/47 Carreau 4 A, tany Toamasina, afakomaly tamin’ny 3 ora ma­raina. Nirefodrefotra ny feom-basy. Notafihan’ny jiolahy miisa fito misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana (basy sy sabatra), ny tokantrano iray. Novakiny ny varavarana ary niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ireo olon-dratsy. Nodarohan’ireo olon-dratsy […]