Voafaokan’ny 4×4 avy aoriana ilay kodiaran-droa, namoy ny ainy ny tovolahy vao erotrerony nitondra moto teny amin’ ny lalambe migodana na “autoroute” vaovao (AR1), omaly. Nitondra moto misy vitesse io lehilahy io. Nanararaotra ny fa-halalahan’ny arabe, mandeha mafy ireo fiara mifamezivezy amin’io toerana io. Nikasa hivily tampoka ilay mpitondra moto. Tsy […]
Tranga
Mpanendaka tetsy Angarangarana : Lavon’ny polisy ny jiolahy tompon’antoka
Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosizato Atsinanana, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora. Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ ny Service Central Anti-Gang (SCAG) nandritra izany, ny jiolahy raindahiny iray. Malaza amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana. Anisan’ny nanafika mpividy entana iray tetsy Anosibe Angarangarana ny 6 okotobra lasa teo izy io. Lasan’ izy ireo […]
Kamiao latsaka tany ambany tetezana : Olona telo namoy ny ainy, roa hafa naratra mafy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, any Brickaville, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Olona telo tamin’ireo mpandeha dimy namoy ny ainy, izay tery tao anaty fiara. Niseho teo amin’ny PK 249 hiditra Brickaville ny loza. Latsaka tany ambany tetezan’i Menagisy ny kamiao lehibe iray, izay feno entana. […]
Ifarihy Atsimondrano : Lehilahy niharan’ny vono hita faty
Raim-pianakaviana hita faty niaraka tamin’ny aroloha fampiasa mitondra moto teny Ifarihy, distrikan’Atsimondrano, omaly. Mpandalo handeha hiasa maraina no nahatsikaritra io lehilahy io, nitsirara tamin’ny tany. Niosin-dra sady simba tanteraka ny faritry ny tavany. Navelan’ireo olon-dratsy tsy lavitry ny toerana fanaovam-biriky izy. “Tsy mponina ety an-toerana io hita faty io”, hoy […]
Ambalavao Isotry : Lehilahy iray tratra nangarom-paosy
Voasambotry ny polisim-pirenena tetsy Ambalavo Isotry ny lehilahy iray, 18 taona, afakomaly hariva. Tratra nangarom-paosy mpandeha iray teny an-toerana izy. Lasibatry ny asa ratsy nataony tamin’izany ny vehivavy iray, 20 taona, hamonjy fodiana. Very tamin’izany, ny finday marika Infinix Smart 5 tao anaty poketrany. Niantso vonjy avy hatrany ity niharam-boina […]





