Tranga

Raharaha Ambohimalaza : Nalaina am-bavany ny fianakavian’ireo maty

Olona roa, anisan’ny fianakavian’ireo 31 namoy ny ainy, momba ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, nohainoin’ny fampanoavana, teny amin’ny Lapam-pitsarana Anosy, omaly maraina. Nalaina am-bavany teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona izay nametraka fitoriana hiampangana an’i Fenohasina tompom-pety sy ny reniny. Ireo fianakavian’ny maty ireo izay mitaky ny hamoahana ny […]

Nanondraka anana vao maraina : Rangaha maty tao anaty dobo

Nivoaka ny trano vao mangiran-dratsy hanondraka voly ny raim-pianakaviana iray. Vatana mangatsiaka hany sisa nalain’ny fianakaviany tao anaty dobo, teny Soavina Atsimondrano, omaly. Raim-pianakaviana, 54 taona, namoy ny ainy tampoka ka hita faty tao anaty dobo, teny amin’ny fokontany Ambihivy, kaominina ambanivohitra Soavina, distrika Atsimondrano, omaly. “Hanondraka fambolena vao maraina […]

RN1: Mpitondra bisikileta maty voafaokan’ny fiara

Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, tao amin’ny fokontany Ambohipeno, kaominina Arivonimamo II, ny alahady hariva teo. Nandeha mafy ny fiara iray ka voafaoka tampoka tamin’izany, io lehilahy nitondra bisikileta io. Niakarapoka tamin’ny tany izy, vaky ra ary tsy nahatsiaro tena. Nifamonjen’ny nanatri-maso ilay […]

Nangalatra 6 tapitrisa Ar : Ankizy telo naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja, ny 19 jolay teo, ireo telo mianadahy ka tsy ampy taona ny iray. Nangalatra vola mitetina 6 tapitrisa Ar tao amin’ny fokontany Andrama­sina, kaominina Am-batomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, izy ireo. Nipetraka tao amin’ny fianakaviany ary nametrahan’izy ireo fitokisana ilay ankizivavy vao 13 taona. Tsy hita tampoka io […]

Toamasina : Tovovavy 15 taona nananton-tena

Tovovavy mbola mpianatra hita faty nihantona tamin’ny hazo tao amin’ny fokontany Andranomadio, parisela 11/43, kaominina Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Vao 15 taona monja ary mianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray ao an-toerana io ankizy io. Tsy nody an-trano izy efa ho roa herinandro mahery. Nikaroka azy nandritra izany ny […]