Tranga

Sokatra VERY tetsy Tsimbazaza : eo am-pelatanan’ny zandary ireo ahina

Efa eo am-pelatanana sy efa arahi-mason’ny zandarimariam-pirenena mpanao famotorana ireo olona nahiana sy voarohirohy tamin’ny halatra sokatra, Pyxisarachnoides sy Artrochelysradiata, miisa 10, tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza, ny alin’ny talata teo. Olona roa fara fahakeliny no fantatra fa efa voasambotra mahakasika izany. Niditra avy hatrany tamin’ny fikarohana sy fitondrana alika mpitsongo-dia […]

Naman’ireo fito maty voatifitra : naiditra am-ponja ireo telo lahy azo sambo-belona

Naiditra am-ponja ao amin’ ny fonjaben’Ambalata­voa­hangy ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ ny fanafihana narahina halatra tao amin’ny distrikan’i Toa­ma­sina II, ny alatsinainy lasa teo. Naman’ireo jiolahy fito maty voa­tifitry ny zandary nandritra ny fifanjevoana tao an-toerana izy telo lahy ireto saingy tafaporitsaka. Nanao hazalambo azy ireo ny zandary […]

Antohomadinika : jiolahy iray lavon’ny polisy

Nihena iray indray ny olon-dratsy ho an’ny eny amin’ny faritr’Antohomadinika sy ny manodidina. Jiolahy mpandroba amin’ny alina, maty voatifitra. Jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana mitam-piadiana lavon’ny polisim-pirenena teo Antohomadinika, ny alin’ny alakamisy 24 oktobra, tamin’ny 9 ora alina. Ni­haodihaody teny amin’ny ma­nodidina ireo olon-dratsy telo mirahalahy, nanomboka ny harivan’io andro io. […]

Halatra moto : ravan’ny zandary ny tambajotra

Naiditra am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny roa tamin’ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto. Nanao izay ho afany ny zandary avy ao amin’ny boriga­din’Ambohimangakely nanao ny fanenjehana ireto olon-dratsy ireto ka nahitam-bokany izany. Nitrangana vaky trano tao An­dra­novao Ambohimangakely, ny alin’ny 22 desambra 2023. Nopoizinin’ireo jiolahy ny alika mpiandry tanàna. […]