Naiditra am-ponja eny Antanimora afakomaly ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina halatra miaro vono olona. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) sakelika fahefatra (BC4) teny Andravoahangy sy Ankadifotsy, ny 11 avrily 2024 teo ry zalahy ireto. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ny 7 avrily lasa teo, jiolahy efatra no […]
Tranga
Fakana an-keriny: efa-dahy voasambotra ny zandary
Mpiray tsikombakomba efa-dahy tamin’ny mpaka an-keriny voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambolosy, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Nitrangana fakana an-keriny tao amin’io tanàna io, ny 4 febroary teo. Nanao ny fanadihadiana lalina sy nikaroka ireo nahavanon-doza ny zandary taorian’io. Nahazo loharanom-baovao mari-pototra ireto farany. Voasaringotra ny tompon’ny tanàna nieran’ny dahalo. […]
Andoharanofotsy: lehilahy nikasa hangala-jaza voasambotra
Nilaza ho voakarana 300 000 Ar ny lehilahy iray nikasa hangala-jaza. Nifanjehan’ny fokonolona tao Bongatsara izy ka tratra, afakomaly. Nosamborin’ny fokonolona ny lehilahy iray nikasa hangala-jaza tao Ambodivoina, fokontany Antsahabe, kaominina Bongatsara, afakomaly. Niara-nilalao tamin’ny namany ilay zazavavy. Nanatona azy io lehilahy io ka nanambitamby azy. Nanaiky hanara-dia io olon-tsy fantatra […]
Anjozorobe: telo mianaka nalain’ny dahalo an-keriny
Dahalo maherin’ny 20 lahy nitam-piadiana naka takalonaina tao Anjozorobe, afakomaly alina. Olona telo nalain’izy ireo ka ankizivavy ny iray. Tsy mety tapitra, ankizivavy sy renim-pianakaviana iray 32 taona niampy lehilahy iray indray nalain’ny dahalo an-keriny tao Fieferana, akaikin’ Antanandava, kaominina Marovazaha, distrika Anjozorobe, afakomaly alina. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, maherin’ny […]
Voatondro ho mpangalatra : lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Lehilahy iray nangalatra matin’ny fitsaram-bahoaka tao Analamanga, fokontany Ankiririky avaratra, kaominina Antsohihy, afakomaly alina. Nokarohin’ny andrimasom-pokonolona tao amin’ny trano voalaza ho fonenany io lehilahy io. Niafina tao ambany fandriana izy ka nasaina nivoaka hifampiresahana milamina. Teo am-panatontosana ny resaka, naka antsy lavalela tampoka izy. Nokasaina hofiraina tamin’ny antsy ireo tovolahy […]