Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona hita faty tany Mahabibo Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 5ora. Vatana mangatsiaka efa tsy misy aina intsony no hitan’ny olona sy ny mpandalo teo amoron-dalana. Nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany izy ireo taorian’ny tranga. Tonga teny an-toerana nizaha ny razana ny mpitsabo avy amin’ny BMH. […]
Tranga
Fitokonan’ny Gen Z : Navotsotra ireo fito voasambotra
Nirefotra indray ny lakrimozenina teny Tsiadana Ampasanimalo, ny sabotsy 27 septambra lasa teo. Niparitaka ireo Gen Z rehefa tsy naharesy tosika ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fikasan’ireo mpitokona mikambana anatin’ny Génération Z na « Gen Z » hihazo ny Kianjan’Ambohijatovo, niatrana teny an-toerana avokoa ny mpitandro filaminana, nahitana ny Tafika, zandary ary polisy. […]
Antoko Avi : Mankasitraka an-dRabenirina Jean Jacques
Namoy ny ainy, omaly maraina, rehefa nialana nenina tao amin’ny hopitaly HJRA, ny solombavambahoaka Rabenirina Jean Jacques, taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy teny Andoharanofotsy. Nitrangana fihetsiketsehana nataon’ny mpitokona teny Andoharanofotsy, nanomboka ny alakamisy 25 septambra ary nitohy omaly. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy teny an-toerana ity solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Betioky […]
Fitakiana an-dalambe: Tsy manaiky lembenana ny mpitandro filaminana
Miparitaka manerana ny renivohi-paritany ny korontana sy ny fandrobana. Nanomboka omaly, mifanome tanana ny mpitandro filaminana sy ny olona mbola tsara sitrapo, miady amin’ny mpandroba. Tsy toy ny olona manao fanehoan-kevitra na toy ny olon-tsotra ireo izay manao ny fandrobana, fa raisina ho toy ny fahavalom-pirenena, mitondra fanakorontanana ny fianam-bahoaka, […]
Fidinana an-dalambe : Niafara tamin’ny fisamborana, fandrobana sy fandorana
Maro ny mpanao fihetsiketsehana “Leo delestazy”, omaly. Nirefodrefotra ny grenady mandatsa-dranomaso sy ny tifitra. Nifarana tamin’ny fandrobana sy fandorana tanàna ny hetsika. Mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Nahitana fidinana andalam-be avokoa ny toerana rehetra manerana an’Antananarivo, omaly maraina hatramin’ny hariva. Nikasa hiditra an’Ambohijatovo ireo mpitolona fa nosakanan’ny mpitandro […]





