Tranga

Taksiborosy tra-doza: Mpandeha roa maty, am-polony naratra

Zazavavy telo taona monja ny iray tamin’ireo mpandeha miisa roa maty nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Maevatanana, omaly maraina. Nivadibadika nivoaka ny arabe ny taksibrosy iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo Anta­nimalalaka, kaominina Anta­nimbary, distrikan’i Maevata­nana, omaly maraina. Niainga avy any Ambositra io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’i Mahajanga. […]

Asan-jiolahy tao Toamasina : Votsotra ireo zandary sy ny namany voarohirohy

Niakatra fitsarana tao Toamasina ireo olona fito voarohirohy tamin’ny raharaha asan-jiolahy ny taona 2024. Nahavoarohirohy zandary telo, sy Tafika iray ary sivily telolahy, araka ny antotan-taratasin’ ady lah 66- Toa/25. Samy nanda ny fiampangana azy avokoa izy rehetra ireo nandritra ny fotoam-pitsarana. Tsy nisy rahateo ny mpitory sy vavolombelona nandritra […]

Raharaha vonoan’olona tao Vatomandry : Lehilahy iray voaheloka mandra-pahafaty

Notsaraina tao amin’ny efitrano fitsarana ambony, sampana ady heloka bevava, ny talata teo, ny antontan-taratasin’ady lah 61 – Toa / 25 mahakasika ny raharaha ady lova nitarika famonoan’olona, ny 04 febroary 2024, tao Bemasoandro,Vatomandry. Naharitra ora enina. Niantomboka tamin’ny 9 ora maraina, tsy nifarana raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro, […]

Kolikoly ara-nofo : Migadra 2 taona ilay mpampianatra

Voasazy higadra roa taona an-tranomaizina ilay mpampianatra voatonontonona tamin’ny fanaovana kolikoly ara-nofo tamin’ny mpianatra iray tany Mahajanga. Taorian’ny fiakarany fitsarana teo anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac) tany Mahajan­ga, afakomaly. Ankoatra ny sazy miandry azy, naato mandritra ny fotoana voafetra amin’ny asa iandraketany eo amin’ny asam-panjakana ihany koa izy. Mpampianatra iray any […]

Fitiavan-karena tafahoatra : Lehilahy namono ny rahalahiny naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja, miandry ny fitsarana azy, ny lehilahy iray namono ny rahalahiny, omaly. Omby telo avy amin’ny rainy no niantombohan’ny adin’izy mirahalahy. Niakatra fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray namono ny zokiny lahy, tao Sahanivotry, kaominina Antsirabe. Nitrangana vonoan’olona tao amin’io ta­nàna io, ny alin’ny […]