Tranga

Lonilonim-piarahamonina : Tovolahy nalaina an-keriny sy novonoina

Lasibatry ny fakana an-keriny ny fianakaviana mpandraharaha iray monina eny Iavoloha. Niafara tamin’ny famonoana ny havan’izy ireo (14 taona) izany. Ny 20 jona lasa teo, nosakanan’ny dahalo teny an-dalana tany Ambohi­tsara Manakara, 10 km miala an’i Irondro ny fiara nisy ny raim-pianakaviana iray (mpan­draharaha) sy ny zanak’anadahin’ny vadiny. Tsy afa-nandositra […]

Halatra omby: Dahalo iray maty voatifitra

Dahalo iray azo sambo-belona ary iray maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny miaramila tao amin’ny kaominina Ankililoaky, distrikan’i Toliara II, ny alatsinainy 7 jolay teo. Omby miisa 19 nalain’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Ankiliabo, ny alin’io andro io. Dahalo manodidina ny 15 lahy niaraka nanao ny fandrobana. Nanao fanarahan-dia avy […]

Aferam-basy : Telo mianadahy voasambotra tetsy Talatamaty

Tompon’antoka tamin’ny fivarotana fitaovam-piadiana tsy manara-dalàna ny vehivavy iray tratra teny Talatamaty, ny alahady 6 jolay teo. Roa lahy tratra niaraka tamin’ny basy sy bala. Hiakatra fampanaovana anio ireo olona telo voa­saringotra tamin’ny fivarotam-basy tsy manara-dalàna teny Talatamaty. Telo mianadahy niara-voasambotry ny zandarimaria avy eo ani­von’ny tobim-paritra Talata­maty, ny alahady […]

Karana voatafika: Jiolahy roa maty voatifitra

Lavon’ny tifitra nataon’ny ekipan’ny UIR, eo anivon’ny polisim-pirenena, ny jiolahy roa tao Andranomena, kaominina Betsinjaky, distrika Toliara, omaly maraina. Ni­tran­gana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tranombarotra an’ny karana iray tao Bazary Be, ny sabotsy 5 jolay lasa teo. Nanazava ny nanatri-maso fa nitondra basy ny mpandroba tamin’io fotoana io. Naharay loharanom-baovao […]

Fikarohana ara-tsiansa: Nisy nangalatra ny tahirin-kevitra

Nisy namaky ny trano misy ny biraon’ny Fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny haivao (DRI) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny marain’ny sabotsy 5 jolay 2025 lasa teo. Novakian’ny jiolahy ny efitrano roa ary lasan’izy ireo tamin’izany ny ordinatera (Unité central) izay nitahiry ny angon-drakitra. Very […]