Nilatsaka ny didy! Hovosirina, higadra hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny Andrinambinintsoa Johnny William na i Da-Willy. Nanolana zazavavikely vao enin-taona, teny Imerintsiatosika, ny harivan’ny 3 marsa 2024, izy. Niakatra teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahadimy, omaly, ny raharaha mahakasika ny fanolanana ankizivavy enin-taona tetsy Imerintsiatosika, ny harivan’ny alahady 03 […]
Tranga
Imerintsiatosika : Tratra ireo roa lahy nanafika mpanangom-bokatra
Voasambotry ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ ny fitaovam-piadiana ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra tao amin’ny fokontany Tsenakely, kaominina Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo, ny 6 jolay teo. Nitondra basy PA ireo olon-dratsy ka niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’io raim-pianakaviana mpisehatra amin’ny varotra io, ny tolakandron’ny 4 jolay tamin’ny 1 ora. Tsy […]
Nodarohan’olon-tsy fantatra : Lehilahy 65 taona nihoson-dra tetsy Ambodin’Isotry
Lehilahy lehibe iray manodidina ny 65 taona naratra mafy nodarohan’olon-tsy fantatra tetsy Ambodin’Isotry, omaly tamin’ny 01 ora sy sasany tolak’andro. Efa nihosin-dra ny tarehy sy ny lohan’io raim-pianakaviana io vokatry ny vono nahazo azy. Nisy andian-olona nidaroka azy tampoka sy tao anatin’ny fotoana haingana be io niharam-boina io, raha ny […]
Disadisam-pianakaviana : Vehivavy bevohoka maty voatifitra
Maty nisy nitifitra tany Mahazoarivo Atsimo, ny alatsinainy teo, ny vehivavy bevohoka iray. Ahina ho disadisam-pianakaviana no antony namonoana azy io. Vehivavy bevohoka iray (25 taona) maty notifirin’olon-dratsy teny Mahazoarivo Atsimo, ny alatsinainy tamin’ny 8 ora latsaka folo hariva lasa teo. Lasa nandositra avy hatrany ny nahavanon-doza rehefa avy nanao […]
Ady tany : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra
Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo roa lahy nifampitomboka tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Ambalavao Ivondrona, kaominina ambanivohitra Sahambavy, distrika Lalangina, afakomaly. Nifamaly momba ny ady tany izy roa lahy. Naka angady sy fitaovana vita avy amin’ny vy ny roa tonta ka nifampikasi-tanàna. Tsy nifampitsitsy fa samy nifamely tamin’ny loha […]




