Vazaha iray sy ny vadiny teratany malagasy monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina mponina sy mpiasa maro eny an-toerana, raha ny angom-baovao voaray. Manao fanamparam-pahefana sy manao herisetra amin’ireo mpiasa ao aminy sy ny mponina manodidina azy izy. Raim-pianakaviana iray, mpiambina sy mpikarakara zaridaina, no voaendrikendrika ho nangalam-bola tao anaty […]
Tranga
Fiara nifandona : Mpivaro-mandeha maty voahitsaka
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona iray tany Andranomadio Antsirabe, afakomaly alina, tamin’ny 9 ora sy 45 mn. Niseho teo amin’ny Jirama, PK 00, lalam-pirenena fahafito, ny loza. Lehilahy iray 57 taona, mpivarotra soya mandehandeha, manan-janaka enina, io niharam-boina io. Avy any andrefana handeha hiatsinanana tamin’ny lalam-pirenena RN7, ny fiara VW Crafter […]
Poa-basy teny Ampitatafika : Jiolahy roa lahy maty voatifitra
Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-dRenivohitra, ny alin’ny alakamisy 03 jolay teo. Roa lahy karohina. Nirefodrefotra ny basy nanomboka teny Ampasika hatrany Ampitatafika, ny alin’ny alakamisy 3 jolay teo. Jiolahy iray voasambotry ny mpitandro filaminana taorian’ny angom-baovao marim-pototra, io afakomaly io, tamin’ny 10 ora maraina. Nikasa hanao […]
Kly Patrick Rakotomamonjy : Voasazy 20 taona an-tranomaizina
Voaheloka higadra an-tranomaizina 20 taona sazy mihatra ny Kly Patrick Rakotomamonjy, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly. Voasazy folo taona an-tranomaizina ny olona iray hafa voalaza fa mpiray tsikombakomba amin’io manamboninahitra io. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa, ireo olona folo hafa. Mijanona ho ankamantatra amin’izao fotoana ny toerana misy […]
Fanafihana fiara : Dahalo raindahiny lavon’ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy tany Analavory, kaominina Beravina, distrikan’i Morafenobe, faritra Melaky, omaly, ny dahalo raindahiny iray. Malaza amin’ny fanafihana fiara mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy, sabatra ary lefona ity farany. Omaly maraina, nanafika fiara tsy mataho-dalana iray izy io sy ny namany. Fiara an’ny ONG iray niainga tao Maintirano hihazo […]




