Tranga

RN1 Zazalahy : 13 taona maty voahitsaky ny kamiao

Ankizilahy 13 taona maty tsy tra-drano nodonin’ny kamiao tapaka hisatra, tao amin’ny lalam-pirenena voalohany, Antan­drokomby Bemasoandro, afakomaly maraina. Nipo­tsaka tampoka ny hisatr’ilay kamiao. Nidina fidinana anefa ny fiara ka nifatratra avy hatrany tamin’ny sarety nentina mpianaka. Tsy afa-niala ilay kamiao nivatravatra intsony ilay zazalahy. Nandriaka ny ra ka tsy tana […]

Ambohijanaka: Jiolahy telo maty voatifitry ny zandary

Lavon’ny zandary ny telo tamin’ireo jiolahy nikasa hanafika tao amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny sabotsy alina teo. Nahitana fitaovam-piadiana tany amin’izy ireo… Maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Ambohija­naka ny telo tamin’ireo jiolahy nikononkonona hanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka, ny sabotsy tokony […]

Efa nahazo vola 20 tapitrisa Ar : saron’ny polisy i Mohamed sy i Patrick mpisoloky gagilahy

Mirongatra izaitsizy ny fisolokiana avolenta ao Toa­ma­sina amin’izao fotoana izao. Nanome baiko hentitra ny talem-paritry ny filaminana anatiny ao Toamasina, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, amin’ny hanenjehana ireo jiolahy tompon’antoka amin’izany. Nahitam-bokany izany, araka ny tatitra nampitain’ny kaomisera Ratsimba­zafy Tolojanahary Jean Philip­pe, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly. Niainga […]

Analakely: mpivarotra mercure hosoka voasambotra

Mpisandoka nivarotra mercure sandoka tra-tehaky ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny CSP1 tetsy Analakely, ny 28 febroary teo. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny polisy ny ramatoa iray fa lasibatry ny fisolokiana. Naka vola mitentina 27 500 000 fmg tany amin’io renim-pianakaviana io ilay mpisoloky nanomboka tamin’ny taona 2022. Narira­riran’ ilay lehilahy hatrany […]