Tranga

Naratra voadaroka ny tompon-trano : 40 tapitrisa Ariary voaroba teny Tanjombato

Very ny 40 tapitrisa Ar tao amin’ny fianakaviana iray, afakomaly alina, teny Tanjombato. Naratra mafy, voadaroky ny jiolahy ny raim-pianakaviana tompon-trano. Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Ahi­tana izany matetika ny eny amin’ny distrika Atsimon­drano. Nota­fihan’ny jiolahy miisa 12, misaron-tava sy mi­rongo fitaovam-piadiana (basy sy sabatra), ny tokantrano […]

Nifanenjehan’ny fokonolona : Dahalo roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy nangalatra omby tao amin’ ny fokontany Amparihy, kaominina Ambano, distrikan’ Antsi­rabe II, ny 4 jolay teo. Nentin’ireo olon-dratsy nandositra ny omby tao am-bala, tamin’ny 11 ora alina. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandarimaria avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andranomane­latra. Nifandona ireo […]

Ambatofahavalo : Mpisoloky Cash Point voasambotra

Nampiasa « puce » miisa roa. Noraisim-potsiny ny lehilahy mpisoloky tao Ambatofahavalo, distrikan’Atsimondrano, ny 4 jolay teo. Nilaza haka vola amin’ny alalan’ny finday tao amin’ny Cash Point io lehilahy io. Nampiasa teti-dratsy anefa izy. Noraiketiny anatin’ny findainy anatin’ny “puce” hafa ny hafatra miafina toy ny avy amin’ilay tambajotra hangalany ny vola. Voasoratra anatin’io hafatra […]

Nahatrarana grenady sy basy : Roa lahy naiditra eny Tsiafahy

Mpidoroka rongony mahery vaika, “Métamphétamine”, sady mpihazona fitaovam-piadiana mahery vaika niara-naiditra eny Tsiafahy, ny alakamisy 3 jolay teo. Niakatra fampanoavana ny alakamisy 3 jolay teo, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo roa lahy nahatrarana fitaovam-piadiana teny Atsimondrano. Naharay angom-baovao ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Nosavaina ny […]

Ady heloka bevava ao Toamasina : Telo lahy voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafaty

Migadra mandra-pahafaty ireo telo lahy voaheloka tamin’ny fanafihana niharo famonoana raim-pianakaviana ny volana septambra 2024. Tsy nitsitsy ny fampanoavana. Hentitra no azo ilazana ny fotoam-pitsarana ny alakamisy teo nandritra ny fitsarana ilay raharaha fanafihan-jiolahy tao Tana­makoa, ny alin’ny  03 septambra 2024, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, araka ny antontan-taratasin’ady lah […]