Tranga

Raharaha depiote Manakara: mpanao gazety nosamborina !

Nosamborin’ny polisy avy aty Antananarivo ny mpanao gazety Rakotomalala Rossignol, miasa any Manakara. Voalaza fa niditra antsokosoko tamin’ny kaonty  Facebook-n’ingahy depiote izy. Manara-maso akaiky ny Holafitry ny mpanao gazety. Tsy nampoizina ! No­samborina omaly folakandro, ny mpanao ga­zety, Rakotomalala Rossignol, miasa amin’ny Radio Zana­gasy ao Manakara. Polisy avy aty an-drenivohitra no naka azy tany […]

Madirovalo: dahalo iray lavon’ny zandary

Lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana ny dahalo raindahiny iray tao  amin’ny fokontany Ambahivaha, kaominina Madirovalo, ny alin’ny 26 desambra teo.  Nanara-dia io mpangalatra omby io sy ny namany ny zandary miasa ao an-toerana. 2 km mivoaka miankandrefana ny tanàna, raikitra ny fifandonana mahery vaika tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nihemotra ny […]

Analakely: roa lahy mpangalatra moto naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja omaly, ireo roa lahy mpangalatra moto voasambotry ny mpitandro filaminana, tetsy Analakely. Nangalatra taxi-moto tao anelanelan’Ambatolampikely sy Malaza, fokontany Ambohidralambo, kaominina Ambanitsena izy ireo. Voaroba tamin’izany ny moto scooter 4T. Naharay fitarainana ny zandary miasa ao Carion ny ampitson’io. Nokarohina ny mpangalatra. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa […]

Fahasahiana tsotr’izao: nisy namaky ny biraon’ny fitsarana ao Toamasina

Novakin’ny jiolahy ny biraon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ao Toamasina, ny talata alina teo. Tsy naka na inona na inona anefa ireo jiolahy satria tsy nisy nihetsika tamin’ny toerana ny entana rehetra… Nisy namaky omaly alina ny varavaramby roa miditra ao amin’ny biraon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina. Tafiditra  hatrany amin’ny […]

Misoloky amin’ny jiro mora: jiolahy nisandoka ho iraka avy amin’ny antoko TGV

Natolotra ny fampanoavana omaly, ny jiolahy iray nisoloky ho iraka manokana avy amin’ny Arena, misy ny foibe nasionalin’ny antoko TGV. Ny sabotsy 23 desambra 2023 teo no nisy olona tonga nitaraina tao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Arivonimamo, momba ny fisian’ity mpisoloky gagilahy ity. Voaporofo fa ao amin’ny tanàna iray antsoina hoe […]