Voasazy higadra roa taona an-tranomaizina ilay mpampianatra voatonontonona tamin’ny fanaovana kolikoly ara-nofo tamin’ny mpianatra iray tany Mahajanga. Taorian’ny fiakarany fitsarana teo anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac) tany Mahajanga, afakomaly. Ankoatra ny sazy miandry azy, naato mandritra ny fotoana voafetra amin’ny asa iandraketany eo amin’ny asam-panjakana ihany koa izy. Mpampianatra iray any […]
Tranga
Fitiavan-karena tafahoatra : Lehilahy namono ny rahalahiny naiditra am-ponja
Notanana vonjimaika any am-ponja, miandry ny fitsarana azy, ny lehilahy iray namono ny rahalahiny, omaly. Omby telo avy amin’ny rainy no niantombohan’ny adin’izy mirahalahy. Niakatra fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray namono ny zokiny lahy, tao Sahanivotry, kaominina Antsirabe. Nitrangana vonoan’olona tao amin’io tanàna io, ny alin’ny […]
Anosizato : Tovolahy iray hita faty tao anatin’ny ranon’Ikopa
Tovolahy manodidina ny 15 taona, hita faty tao anaty rano teny amin’ny reniranon’Ikopa, Anosizato, omaly atoandro tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. Mpanarato eny an-toerana no nahita olona nisaringotra tamin’ny harato. “Olona telo no nifarimbona nisokitra azy sy nampiakatra azy avy ao anaty rano tamin’izany”, hoy ireo nanatri-maso. Raha […]
Fahamaizana : Trano sivy hotohoton’ny afo
Kilan’ny afo ny trano lehibe iray niampy trano hafa miisa valo tao Toamasina Renivohitra, omaly hariva tamin’ny 5 ora. Niainga tao amin’ny trano iray amin’ireo fivarotana zava-pisotro mahamamo manamorina ny ranomasina ny firehetana. Niitatra ny afo avy eo. Nifanampy tamin’ny fifehezana ny loza ny mpiara-monina. Nigadona teny an-toerana rahateo ny […]
4×4 tra-doza teny amin’ny RN7 : Olona roa niara-namoy ny ainy
Niara-maty ny mpamily sy lehilahy iray hafa nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, 6 km tsy hidirana ny tanànan’Ambatolampy, omaly maraina. Nivoaka ny lalana tampoka, nifatratra tany anaty rano ny fiara tsy mataho-dalana iray, teny amin’ny RN7, PK 62, fokontany Miadamanjaka, kaominina ambanivohitra Manjakatompo, distrikan’Ambatolampy, omaly maraina tamin’ny 6 […]




