Trano iray misy rihana no nirehitra tetsy Ankadifotsy Befelatanana akaikin’ny “Gascom”, omaly atoandro tamin’ny 12 ora latsaka dimy. May kilan’ny afo tanteraka, tamin’ izany, ny efitrano roa tany amin’ny rihana voalohany. Levon’ny afo tao ihany koa ireo entana rehetra. Niainga tao amin’ny efitra iray tao amin’ny rihana ambony ny afo, […]
Tranga
Nitsoaka alika masiaka : Tapaka ny tongotr’ilay ankizy lasibatra
Ankizilahy sahabo ho 15 taona tapa-tongotra havanana rehefa nenjehin’ny alika, tao amin’ny fokontany Ambohidehilahy, kaominina Ambohimangakely, omaly maraina. “Nandalo toy ny rehetra io ankizilahy io”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao. Nentin’ny tahotra, nandositra ilay ankizy rehefa nahita alika. Nanenjika avy hatrany rahateo io biby io. “Nihanika toerana somary avo ilay ankizy […]
Moramanga: Telo lahy nahatrarana taolam-paty 52 kg
Notanana vonjimaika am-ponja, omaly, ireo telo lahy nahatrarana taolam-paty tao Maroventy, fokontany Tanamandroso, kaominina Moramanga. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa misy olona ahina ho mitazona taolam-paty ao amin’io fokontany voalaza io. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana ny alatsinainy 22 septambra tamin’ny 4 ora tolakandro. Nosavaina […]
FIDINANA AN-DALAMBE : “Tsy ara-dalàna”, hoy ny Emmo/Nat
Nilaza ny tomponandraikitry ny EmmoNat fa tsy ara-dalàna ny hetsi-bahoaka hotanterahina anio. Manamafy ny fidinana an-dalambe kosa ny mpitarika. Mila fitoniana! Nanao fanambarana tetsy Anosy ny avy amin’ ny EMMONAT, izay ahitana ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena ary ny Tafika Malagasy, omaly. Manoloana ireo fihantsiana samihafa sy fikasanana hanao fanakorontanana ho […]
Doro tanety niteraka haintrano : Olona iray maty teo am-pamonjena ny fananany
Nitrangana haintrano indray tany Antafiandakana, kaominina ambanivohitra Ankeriky, distrikan’Antsohihy, omaly tamin’ny 12 ora atoandro. Olona iray namoy ny ainy, may kilan’ny afo nandritra ny loza. Niezaka namonjy ny fananany may sy taraiky tao an-trano izy no tsy tafavoaka intsony ka tototry ny afo tao. Ankoatra izay, trano maro levon’ny afo, […]





