Mpandeha roa maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Nosy-Be, omaly. Nitondra olona folo io Bajaj tra-doza io. Tsy nahazo tampoka ny hisatra ka nivarina tany an-kady ny fiara nitondra ireo olona am-polony. Naratra mafy ny ankamaroan’ireo mpandeha ireo. Niezaka nanavotra ireo tena voa mafy teny anivon’ny hopitaly ireo nanatri-maso […]
Tranga
Asan-jiolahy: dimy maty voatifitra, 14 voasambotra
Nirefondrefotra ny basy tao Toamasina sy Fianarantsoa. Roa lahy matin’ny polisy tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Niampy 14 lahy ireo voasambotra. Hetsika manokana nataon’ny polisim-pirenena no nahazoana izany. An-jatony ny fitarainanan’ny fokonolona manodidina ny fokotanin’Ankirihiry eo amin’ny bazary may sy manodidina ny Cite Haras. Faritra mena tsy azo lalovana vao manomboka amin’ny […]
Ora-nikija : roa lahy matin’ny ranotrambo
Vokatry ny orambe, lasan’ny ranotrambo tamin’ny alahady, ny raim-pianakaviana miisa roa, teny Ambatomirahavavy. Telo andro taty aoriana, hita teny an-tanimbary ny razana. Telo andro nifampitadiavana tao anaty rano, hita faty afakomaly, ireo roa lahy matin’ny ranotrambo tao Ambatomirahavavy ny 18 febroary lasa teo. Tsy lavitra ny toerana nitondran’ny rano azy […]
Raharaha « Gemfields »: Meloka i Romy Voos Andrianarisoa
Nanapaka ny mpitsara avy amin’ny Crown Court Southwark, fitsarana anglisy, omaly, fa voaheloka noho ny kolikoly nataony Andrianarisoa Romy Voos, talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha. Raha tsiahivina, fakana vola sy fandraisana anjara 5% amin’ny fitrandrahana hotanterahin’ny orinasa Gemfields eto Madagasikara no antontan-taratasin’ady niampangana azy. Ny 10 aogositra 2023 […]
67 ha : mpanendaka lavon’ ny polisy
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny mpanendaka raindahiny iray teny 67 ha, ny alin’ny alatsinainy 19 febroary teo. Efa naharay tatitra momba azy ny polisin’ny CSP7. Mitaraina vokatry ny asa ratsiny avokoa ny mponina eny amin’ny manodidina. Tsy nitazam-potsiny, namolavola paikady ka nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka tokoa izy […]