Tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo sinoa mianadahy, tompon’ny trano fisakafoana tetsy 67 Ha Atsimo, ny roa lahy mpiasa tao ihany. Voasambotra ary efa miatrika fanadihadiana izy ireo. Resaka lonilony nisy teo amin’izy ireo sy ny mpampiasa ny anton’ny vono olona. Voasambotry ny polisim-pirenena ny sabotsy lasa teo ny roa lahy, ahina […]
Tranga
Fikambanan-jiolahy : Olona sivy nosamborin’ny polisy
Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy mitam-piadiana tao Mahajanga renivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Manoloana ny asa ratsy miseholany voarain’ ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe, nanao hetsika manokana hisamborana ireo tsy valahara izy ireo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mialokaloka ao amin’ny tanàn’Antanimalandy ny olon-dratsy iray anatin’ny fikambanan-jiolahy. […]
Vaky fasana : Fasana nanitrihana matin’ny pesta lasibatra
Lasibatry ny asan-jiolahy ny fasana miisa roa izay nandevenana olona voan’ny pesta ny iray tao amin’ny fokontany Amparihinomby, kaominina ambanivohitra Tsiroanomandidy Fihaonana, distrika Tsiroanomandidy, ny sabotsy 20 septambra teo. Nasesin’ireo jiolahy novakiana ny fasana miisa roa. Nikoropaka ny tompom-pasana sy ny fokonolona nanamarina ny isan’ny razana. Araka ny fanazavan’ny iray […]
Ankatso II: Lehilahy iray maty voatsindron’antsy
Namoy ny ainy, omaly, vokatry ny tsindron’antsy nahazo azy teny amin’ny Fast Food Ankatso II, i Andersen. Namelaka ny tovolahy iray nikitika ny olon-tiany izy, antony namonoan’ny olona azy. Nitrangana vono olona niharo tsindron’antsy, nandritra ny lanonana fandraisana mpianatra vaovao eo anivon’ny Cream (Cercle de réflexion des étudiants pour l’avenir […]
Tafaverina ny omby 17 : Dahalo iray lavon’ny balan’ny zandary tany Ankazobe
Nifandona ny dahalo, andaniny, sy ny zandary sy fokonolona, ankilany, tany Lohotsy, fokontany Antsandravolaina, kaominina Fiadanana, ny alin’ny 14 hifoha ny 15 septambra lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy enina mirongo basy tamin’izany ny omby miisa 17 tao amin’ny valan’omby iray. Natao ny fanarahan-dia ary tratra tsy lavitra ny tanàna ny iray […]





