Tranga

Hijery ny fananany any Vatomandry: Kolonely mivady niaraka hita faty tany an-toerana

Hita faty tany Vatomandry, afakomaly ny zandary misotro ronono sy ny vadiny, izay monina etsy Ampahibe. Voalaza fa hijery fananana any an-toerana no nialan’izy ireo tao an-trano. Olona telo hita faty tao anaty trano iray manamorona ny lalam-pirenena faha-11A, 100 metatra tsy hidirana ny fiholahana Antokotelo, fokontany Niaro­vana II, kaominina […]

Novelesin-drainy tamin’ny hazo: nipotsaka ny atidohan’ilay zaza

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny raim-pianakaviana iray namono nahafaty an-janany, tany  Fenoarivo Atsinanana, omaly maraina. Zaza vao herintaona monja, maty tsy tra-drano sady nivoa-dra ny lohany vokatry ny habibiana nataon-drainy. Nentin’ny hamamoana niampy fahasarotam-piaro, novelesin-drangahy tamin’ny hazo ny lohan’io zanany io. Nipotsaka mihitsy ny atidohan’ilay lasibatra. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny […]

Nanasaraka olona niady: Zandary maty voakapa famaky

Zandary mpiana-draharaha iray no maty voakapa famaky, ny alin’ny fetim-pirenena, tao Fenoarivobe. Nanasaraka olona niady tamin’ny fety izy. Olona efatra karohina. Nokapain’ny vatan-dehilahy miisa efatra tamin’ny famaky, voa mafy teo amin’ny lohany, ka tsy tana ny ain’ny zandary mpiana-draharaha iray tao amin’ny kaominina Fenoa­rivobe, faritra Bongolava, ny alin’ny alakamisy 26 […]

Vonoan’olona: lehilahy hita faty nivoa-dra

Naratra ny lohany ary nivoaka ra ny vavan’ny lehilahy iray hita faty tao amin’ny Village Touristique Mahajanga, omaly maraina. Tsikaritry ny mpandalo ny fisian’ny olona nitsirara tamin’ny tany. Tsy nihetsika intsony io lehilahy efa lavo amin’ny tany io sady nihosin-dra. Niantso ny tomponandraikitry ny filaminana sy ny mpitsabo hanao ny […]