Tranga

Fanapahan-doha: lehilahy efatra voasambotry ny zandary

Lehilahy efatra avy any Soavina II, voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Bori­gadin’ny Zandarimaria Betafo, tamin’ity herinandro ity. Voa­ro­hirohy amin’ny famonoana sy fanapahan-doha raim-pianakaviana iray, 68 taona, tany amin’ny fokontany Soavina faharoa, kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo, faritra Vaki­nankaratra, ny alin’ny 24 hifoha 25 marsa 2025 izy ireo. Naharitra volana maromaro […]

Kamiao tra-doza teo Maharidaza: namoy ny ainy ilay Kaomorianina, mpanampy mpamily

Roa andro taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao Maharidaza, lalam-pirenena faharoa, tafavoaka tao ambanin’ny kamiao nanindry azy ny nofo mangatsiakan’ilay kaomorianina, omaly maraina. Nanao sarotra ny fangalana ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray voatsindrin’ny kamiao tao Ma­haridaza, RN2. Kamiao lehibe mpitatitra entana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasi­na tra-doza tampoka teo amin’ io toerana io. Nisedra […]

Ambohidratrimo: jiolahy valo tratry ny zandary

Jiolahy valo voasambotry ny zandary avy any Ambohi­dratrimo, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Nikasa hanafika toeram-panaovana filanonana iray tany Ambatobe izy ireo tamin’io fotoana io. Saingy tratran’ny zandary rehefa nanaovana paikady ahafahana misambotra azy ireo. Nifanao fotoana tamin’ny trano iray ireo tovolahy, mpanao asa ratsy sy mikambana ao anatin’ ny […]

Andoharanofotsy: nosamborina ny renin’ilay zazalahy hita faty

Ahina ho namono nahafaty ny zanaka naterany vao amam-bolana monja, notanan’ny zandary ny renim-pianakaviana, teny Andoharanofotsy, afakomaly. Nosamborin’ny zandary ny renim-pianakaviana ahina ho namono nahafaty an-janany lahy vao roa volana monja tao amin’ny fokontany Soarindra, fokontany Morarano, kaominina An­do­haranofotsy, ny 22 jona teo. Olon-tsotra teny amin’ny manodidina no nahita zaza […]