Nivory ireo sefo fokontany 13 ao anatin’ny kaominina Ankilimaliniky Toliara II, ary namoaka fanambarana iombonana. Nitondra ny fitenenana ny sefo fokontany Tanora Faharoa. Nohelohin’izy ireo marindrano ilay asan-jiolahy niseho ny sabotsy 13 septambra teo. Fakana an-keriny natao takalonaina ny zanakay miisa 3 ireny zava-niseho ireny, hoy izy ireo. Tsy misy […]
Tranga
Tsindron’antsy: Voasambotra ny tovolahy 18 taona nahavanon-doza
Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP3 Antanimasajy, Mahajanga, ny tovolahy iray 18 taona voarohirohy sy tompon’antoka tamin’ny fanindromana antsy raim-pianakaviana iray, 35 taona, ny alin’ny 6 septambra lasa teo. Niakatra fampanoavana ny raharaha, taorian’ny famotorana nataon’ny polisy azy. Tsiahivina fa nisy nanindrona antsy tany Ambalamanga, fokontany Antanimasajy, ny lehilahy […]
Olana ara-pitiavana : Lehilahy saika hamono tena, nitsoraka tany ambany fiara
Nanapaka tampoka fiara nandalo teny Ampasika ny lehilahy iray, omaly. Nikasa hamono tena izy saingy tsy maty. Raim-pianakaviana tra-doza rehefa nitsoraka tampoka tao ambanin’ ny fiara marika Kia Pride, teny Ampasika, omaly tolakandro. “Tsy lavitra ny lalana miditra ny Rond-point, nitsambikina tampoka io lehilahy io”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray […]
Analakely : Mpangarom-paosy nikasa haka 100 euros
Teratany vahiny iray niharan’ny asa ratsin’ireo tontakely teny Analakely, teo amin’ny firaisaina voalohany, omaly. Nandritra ny fisoratam-panambadiana ny maraina, nifanisika ny olona ka nanararaotra nisaka ny paosin’io teratany vahiny io ny mpanao ratsy. Lasibatra nandritra izany ny fitoeram-bola natao tao am-paosy. Nahare ny fisintoman’io mpangalatra io ny fitaovana tao am-paosiny […]
Vono olona teny Antanety : Tompon’antoka ny havan’ilay lehilahy maty
Olona miisa fito niray tsikombakomba tamin’ny famonoana olona nosamborin’ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Lehilahy iray hita faty tao amin’ny trano fonenany tao Ambohitrimanjaka, ny 26 aogositra lasa teo. Vehivavy ny telo tamin’ireo voasambotra ary misy rohim-pihavanana tamin’ilay lehilahy novonoina. Nisy disadisam-pianakaviana teo amin’io lehilahy niharan’ny […]





