Tranga

Nifandona tamin’ny dahalo : Mpanara-dia iray namoy ny ainy, telo naratra

Maty voatifitry ny dahalo ny mpanaradia taorian’ny fifandonana tao Ankaditapaka, fokontany Mahazoarivo, kaominina Belobaka, afakomaly. Omby efatra norobain’ny dahalo telo lahy izay samy nitam-basy, tao an-toerana, tamin’ny 11 ora alina. Nianavaratra ireo mpandroba ka nanara-dia ny vatan-dehilahy tao an-tanàna. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny 2 ora maraina. Lavon’ireo tsy valahara tamin’izany […]

Filoha Rajoelina Andry: “Valifatin’ny mpihavana ilay teny Imerinkasinina”

Nitondra fanazavana momba ny raharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’izany ilay raharaha fanapoizinana nahafatesana olona 20 sy ny olan’ny Jirama ary ny fanamarihana ny fetin’ny 26 jona. Nambarany tamin’izany fa tsy maintsy ho hita ny marina amin’io Raha­raha fanapoizinana nahafatesana olona io. Notantarain’ny filoha antsipiriany ny fizotry ny raharaha. “Efa […]

Nanisana : Kilan’ny afo ny lakozia an’ilay trano lehibe

Voafehin’ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina ara-potoana ny haintrano niseho teny Nanisana, Bori­bo­­rintany fahadimy, omaly atoan­dro. Naharay fampahafantarana ny lehiben’io sampana io, tamin’ny 11 ora sy 43 minitra, ka nahetsika avy ha­trany ny mpamonjy voina ao Andravoahangy. Minitra vitsy taorian’io, nigadona teny amin’ny toerana nisian’ny fi­rehetana izy ireo. “Ny rihana fahatelo […]

Manjakandriana : Lehilahy maty notetezin’ ny lamasinina

Potika ny vatan’ilay lehilahy notetezin’ny lamasinina tao amin’ny fokontany Manankasikely, kaominina Manjakan­driana, ny alatsinainy 16 jona teo. Mifanila amin’ny lalam-pirenena ny lalamby ao amin’io toerana io. Nijanona tamin’ny sisin-dalana ny fiara an’olon-tsotra izay nitondra io lehilahy io. Nivoaka ary naka sisiny tamin’ny lalamby ity farany ary niantso an-telefaonina, tokony ho […]