Niely ka nampiteraka savorovoro ho an’ny mpanara-baovao tao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook ny tranga fisiana fahapoizinana ara-tsakafo nateraky ny fihinanana hani-masaka tao Sabotsy Namehana, omaly. “Tsy marina velively ny vaovao miely momba io tranga io”, raha ny fanazavana notaterin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina ao an-toerana. Tovolahy 21 taona namoy ny ainy, […]
Tranga
Fanafihana trano fandraisam-bahiny : Niampy enina indray ireo voarohirohy
Miampy enina indray ireo olona voasambotry ny polisy tamin’ny raharaha fanafihana trano fandraisam-bahiny iray tetsy Ankazomanga. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny Sampana miady amin’ny heloka bevava (Brigade Criminelle) sy ny Sag. Tratra teny Tsarahonenana ireo olona ireo, izay nahitana lehilahy efatra sy vehivavy roa. Antony nisamboran azy ireo ny fanaovana fikambanan-jiolahy. […]
Telo lahy naiditra am-ponja : Zazavavikely telo voaolana, notambazana 100 Ar
Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny mpanolana miisa telo. Monina eny Mendrikolovana, Alasora, izy ireo. Ampangaina ho nanolana zazavavikely telo. Ar 100 no nanambazana ireto lasibatra. Notanana vonjimaika any amin’ny fonjan’Antanimora ireo telo lahy nanolan-jazavavy tsy ampy taona miisa telo, tao Mendrikolovana, kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, omaly. Nanamparan’ireo olona ireo ny […]
takalonaina tao Ankilimalinike: Tafatsoaka ny iray, roa mbola voatazon’ny jiolahy
Olona telo no nataon’ny jiolahy manodidina ny 10, takalonaina, tany amin’ny fokontany Saririaky, kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II, ny sabotsy 13 septambra teo. Noratrainy ireo olona ireo ary nentin’izy ireo nitsoaka tany anaty ala. Nampandrenesin’ ny sefo fokontany ny mpitandro filaminana, tamin’ny 3 ora tolakandro, ary nandeha ny fanarahan-dian’ny zandary, […]
Andranomena : Rangahy iray maty voadonan’ny fiara
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andranomena, akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be 159, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva. Namoy ny ainy voafaokan’ ny fiara ny raim-pianakaviana iray, 46 taona. Olona 13 hafa ihany koa naratra ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ ny hopitaly Loterana Ambohibao sy Manara-penitra Andohatapenaka. Avy any Ambohidroa, hihazo […]





