Tranga

Tratry ny torimaso fotsy : Namoy ny ainy ilay mpitsabo niharan-doza

Tratry ny torimaso fotsy ny mpamily ny fiara tra-doza teny Ambatofolaka, anatin’ny la­lam-pirenena voalohany, ny alin’ny alakamisy 19 jona teo. « Niainga avy ao Antanana­rivo ary nikasa hamonjy fodiana any Ampefy i Dokotera », hoy ny fanazavan’ny kaomiseran’ny polisy misahana ny fa­nadihadiana izay sady nanatri-maso ny loza. Nivoaka ny arabe tampoka ny fiara […]

Lakana rendrika : Olona enina namoy ny ainy

Olona dimy hita faty tao anaty ranon’Alaotra, andrefan’ny tanànan’i Vohitsivalana, kaominina Imerimandroso, distrikan’ Ambatondrazaka, afakomaly hariva. Sendra loza teny an-dalana izy io ka rendrika. Niainga ny alatsinainy teo, avy any Ambohijanaharikely ary hihazo an’ Ampitandrefana, io sambokely io, raha ny fanazavana voaray. Niainga maraina tany Ambohijanaharikely Ambatondrazaka ary tsy tonga […]

Famosaviana teny Ambohimalaza : Ombiasy sy vehivavy roa naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana omaly ireo voarohirohy tamin’ny famosaviana teny Ambohimalaza, tamin’ny sabotsy heriny. Olona telo naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Ombiasy iray sy vehivavy roa. Niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ireo olona 8 mianadahy voarohirohy tamin’ny tranga famosaviana ara-tsakafo ka nahafatesana olona maro teny Ambohi­malaza, ny sabotsy 14 jona […]

Vontovorona: Lehilahy tratra saika hangalatra

Lehilahy 27 taona tratra namaky tranon’olona iray teny amin’ny kartie Jirama, fokontany Antanety II, kaominina Ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo, afakomaly alina tamin’ny 9 ora. Notapahiny ny «grille de protéction» ary niditra tao an-trano. Nikasa hangalatra entana sarobidy sy lafo vidy tao anatiny ity farany. Tsy misy olona mipetraka ao anatiny ary […]