Tranga

Ahina ho novonoina : Razana nizara roa, tao anaty kirihitra

Razana nitapaka roa, efa noviravirain’ny amboa, no hita tao anaty kirihitra tetsy Ambohimiandra, omaly maraina. Ny nifiny sy ny akanjony no nahafantaran’ny havany azy. Nizara roa ny vatan’ny lehilahy iray, ahina ho nisy namono. Hitan’ny fokonolona tetsy Ambohimian­dra, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 8 ora, ny razana efa simba. Naha­tsikaritra […]

Zava-mahadomelina : Ramatoa nahatrarana rongony 8 kg

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny ramatoa iray mpivarotra rongony tao amin’ny fokontany Maevarano, kaominina Ankazomborona, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Naharay fampahafantarana avy amin’ny tsara sitrapo ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa manaparitaka rongony ary mivelona amin’ny alalan’ny famarotana io karazan-java-mahadomelina ma­nimba tanora io ilay ramatoa. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy marina […]

Fanafihana biraon’ny zandary: misokatra ny fanadihadiana

Efa misy ireo olona voasambotra atao famotorana momba ny fanafihana biraon’ny zandary borigadin’Ankazomiriotra, omaly. “Maromaro ireo voasambotra atao famotorana ary misy ireo mbola karohina”, hoy ny fanazavan’ ny zandary ao Man­doto. Kila tsy nisy noraisina ny fiara iray niaraka tamin’ny moto fito nodoran’ny fokonolona. Lehilahy voalaza fa notifirin’ny zandary tao […]

Herisetra ara-nofo : telo lahy mpanolan-jaza voasambotra

Telo lahy naiditra am-ponja vokatry ny herisetra ara-nofo nataon’izy ireo tao anatin’ny herinandro monja. Zaza tsy ampy taona mbola mianatra avokoa ireo lasibatra. Mirongatra izay tsy izy ny trangana fanolanana tato ho ato. Lehilahy miisa telo saron’ny mpitandro filaminana tamin’ny toerana samihafa tao anatin’ny herinandro monja. Nosamborin’ny polisy ny lehilahy […]

Ankazomiriotra : notafihin’ny olona ny biraon’ny zandary

Raikitra ny savorovoro niafara tamin’ny fanafihan’ireo andian’olona ny tobin’ny zandary ao amin’ny borigadin’ Anka­zomiriotra, ny sabotsy atoandro teo. Fiara iray sy moto fito niaraka tamin’ireo antontan-taratasy samihafa tao amin’ny birao no nodoran’ny olona. Nisy tamin’ireo fitaovam-piadiana koa no voalaza fa nopotehin’ny olona noho ny hatezeran’izy ireo. Raha ny fijoroana vavolombelona […]