Tranga

Nanafika tsena : Roa lahy nofatoran’ny fokonolona

Nidiran’ny jiolahy an-keriny teo am-piomanana hanakaton-tsena ny mpivarotra iray ao Anjozoro Centre, fokontany Anjozoro, kaominina Manta­soa, distrikan’i Manjakan­driana, ny 12 septambra hariva. Nirongo fitaovam-piadiana, toy ny antsilava sy basy ireo olon-dratsy. Nanambana basy izy ireo no sady nitaky ny vola rehetra tao an-tsena. Norobainy tamin’izany ny vola 405 200 Ariary […]

Vaky fasana : Razana 42 lasan’ny jiolahy

Fongana ny fasana miisa telo tao amin’ny tanànan’­ Ambatolampy, fokontany Analamarina, kaominina Soanierana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alarobia 10 septambra lasa teo. Novakin’ny jiolahy ireo fasana telo tsy mifanalavitra. Nentin’ireo tsy mataho-tody avokoa ny razana am-polony tao anatin’ireo fasana ireo. Nalain’ireo mpandroba ireo ny razana miisa dimy tao amin’ny fasana voalohany. […]

Anosikely: 4×4 tra-doza, roa maty!

Nodimandry ny vehivavy iray, 25 taona, mpandeha, sy ny mpamily nialana nenina teny anivon’ny hopitaly ity farany, saingy tsy tana koa ny ainy, taorian’ny lozam-piarakodia teny Anosy, ny marain’ny sabotsy 13 septambra teo. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Anosy, afakomaly maraina tamin’ny 4ora sy sasany. Tra-doza tamin’ny lalana midina […]

Tovolahy natelin’ny ranomasina : Hita afakomaly ny vatana mangatsiakany

Hita afakomaly tamin’ny 8 ora alina, tany amin’ny fari-dranomasin’i Fenoarivo Atsi­nanana, 5 km miala an’i Toa­masina, ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy 14 taona, na­telin’ny ranomasina, ny talata atoandro teo. Mpanarato no nahita ny razana natsingevan’ ny ranomasina ka nampiakatra izany an-tanety. Efa lanin’ny trondro ny masony ary niofaka ny tarehiny, taminn’ny […]