Tranga

Tafakatra 19 ny maty : Olona dimy voasambotra, namosaviana ireo mpilanona

Nanamafy ny governemanta fa ”famosaviana” niniana natao tamin’ny poizina mahery tao anatin’ny mofo ”donut” no niseho teny Ambohimalaza. Olona dimy voasambotra, hiakatra fampanoavana. Tafakatra 19 ireo namoy ny ainy. “Dimy ireo olona voasambotra miatrika fa­nadihadiana eny anivon’ny zandarimaria amin’izao fotoana izao”, hoy ny minisitra delege misahana ny Zandari­ma­riam-pirenena, ny jeneraly […]

Tsy fandriampahalemana : Lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka, tao Barikadimy ny alin’ny alatsinainy 16 jona hifoha talata teo. Sarona nangalatra tao amin’ny fokontany manamorona ny Campus ny mpianatry ny Oniversiten’ i Barikadimy izy. Niezaka nifampiantso ny fokonolona tao Ambalamanasy ary nitari-dositra niditra ny Campus ity jiolahy ity. Nifanehatra tamin’ny mpianatra izy ary voasambotra. Tsy […]

Fanafihana tetsy Antsakaviro: Rava ny tambajotran-jiolahy nandroba 81 tapitrisa Ar

Ravan’ny zandary ny fikambanan-jiolahy mitam-piadiana nandroba lelavola 81 tapitrisa Ar mahery, teo anoloan’ny Banky iray tetsy Antsakaviro. Fito hatreto ireo voasambotra ka polisy ny iray amin’ireo voasaringotra. Tafakatra fito ireo nosamborin’ny zandary, afakomaly, momba ny fanafihana nitam-piadiana tetsy Antsakaviro. Efa-dahy nitondra moto nanambana basy ireo roa lahy hanatitra vola ka […]

Tafakatra 17 no maty: voamarina ny fisian’ny poizina mahery vaika

Namoaka ny valin’ny fanadihadiana voalohany tamin’ny fitsirihana ireo ambin-tsakafo ny avy amin’ny Sampana mo­mba ny fiarovana ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka, omaly. Fantatra tamin’izany, fa fanampoizinana ara-tsakafo ary poizina mahery vaika ny antony nahatonga ny fahafatesan’olona maro nandritra ny fety natao teny amin’ny trano fanaovana lanonana […]