Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambatomirahavavy, omaly tamin’ny 1 ora latsaka fahefany. Niseho tamin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 20 + 100 Antanimenabe, kaominina ambanivohitra Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo. Nifandona sy nifampikasoka tao anaty fiolahana ny moto scooter marika Jinglang sy ny moto routière marika Loncin iray hafa. Avy any Antananarivo hihazo […]
Tranga
Antohomadinika : Lehilahy iray hita faty nisy namono tao an-tranony
Tovolahy iray 21 taona, hita faty tao an-trano fonenany, tetsy Antohomadinika III G Hangar, afakomaly atoandro tamin’ny 2 ora sy sasany. Vatana mangatsiaka efa niha simba sy namoaka fofona no novantanin’ny dadany. Nahitana mangana ny lohany, nivoaka ra ny sofiny sy ny vavany. “Avy any ambanivohitr’i Faratsiho aho ary nigadona […]
Ahina ho lasan’olon-dratsy: Ankizy roa lahy karohin’ny fianakaviany
Zaza varira 7 taona antsoina hoe Fabien ny iray amin’ireo roa tsy hitan’ny fianakaviany nanomboka ny harivan’ny alatsinainy 14 septrambra lasa teo, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina ambanivohitra Satrokala, distrikan’Ihosy. Anadahin’ny renin’io zaza io i Saka, ankizilahy 16 taona tsy hita faharoa izay mpianatry ny CEG. “Tsena aty aminay io […]
Anjanahary : Lehibena mpanendaka lavon’ny polisy
Nipoaka ny basy tetsy amin’ny Cimetière Anjanahary, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Lehilahy iray malaza amin’ny asa fanendahana no lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny ekipan’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) manao fanamiana sivily. Tratra teo am-panendahana mpandalo ny andian-jiolahy maromaro ka nosamborina avy hatrany. Nikasa […]
Nitsahin’ny kamiao : Lehilahy tra-doza notapahina ny tongony
Tsy maintsy notapahina avy hatrany hisorohana ny mety hitaran’ny fiparitahan’ny mikraoba ny tongotry ny tovolahy 37 taona izay voahitsaka kamiao tsy nahy tao anatin’ny faritry ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly. Nandriaka ny ra tao amin’ny faritra tsy lavitry ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly hariva tamin’ny 5 ora sy sasany. Mpiasa an-tselika misahana […]





