Nenjehin’ny polisy ny lehilahy mpanao sinto-mahery iray teo Analamahitsy, boriborintany fahadimy, omaly atoandro. Nosintomin’io olon-dratsy io ny poketra an’ny renim-pianakaviana iray teny an-toerana, tamin’ny 12 ora sy sasany. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ny lasibatra. Ren’ny mpitandro filaminana izay nanao fanamiana sivily io hikiaka nataon’ny manodidina io. Nenjehiny avy hatrany ilay […]
Tranga
Anosizato Atsinanana II: trano fitoeran’entana may kilan’ny afo
May kilan’ny afo ny trano lehibe fitoerana entan’ny mpamongady friperie iray etsy Anosizato Atsinanana II, afakomaly alina tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo tao ny entana rehetra sy fiara telo teo an-tokotany. Nahitana fiara fitateran’entana sy fiara taxi-be ary fiara kely an’olon-tsotra naka niantsona tao. Tsy mbola maty […]
Anosiavaratra: mpitondra moto maty tsy tra-drano
Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray tra-doza teny Anosiavaratra, ny harivan’ny alahady teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ny namany. Namoy ny ainy teo no ho eo ny mpitondra moto scooter marika “Glide” niloko mena, teny amin’ny lalam-pirenena fahatelo, teo Anosiavaratra, distrikan’Avaradrano, afakomaly. Nandeha mafy […]
Ambohidrapeto: telo lahy mpandroba taxi-moto tratra
Tratra teny Ambohidrapeto niaraka tamin’ny saron-tava sy moto fampiasany manao asa ratsy ny telo lahy mpandroba taxi-moto, afakomaly. Norebireben’ny telo lahy ny mpanao taxi moto iray ka nanaiky hitondra olona hihazo an’Ambohidrapeto. Mitetina 15 000 Ar no nifanarahan’izy ireo ho saran-dalana. Nanaraka tamin’ny moto hafa ireo roa lahy naman’ilay nentina […]
Mpanakanto Sofia Goma: maty tsy tra-drano nandritra ny lozam-pifamoivoizana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tao amin’ny fidinana Ambohinahasondrotra Ambohimena, kaominina Ambinanifango, distrikan’i Mandritsara, omaly alahady tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Fiara «Tracteur» iray nitondra fitaovana fanamafisam-peo an’ny mpankanto Sofia Goma na Randriatovo Yves-son Olivier io niharam-boina io. Nivarina tany an-kady misy lalan-drano ary nivadibadika ilay fiara. Maty tsy tra-drano vokatry […]




